Dihy ara-panatanjahantena : Hatao ny 29 avrily izao ny fifidianana

Nifarana omaly alina ny fara fandraisana ny antontan-taratasy firotsahana hofidina ho filohan’ny Federasionina malagasin’ny dihy ara-panatanjahantena. Mbola tsy fantatra kosa anefa hatreto ny isan’ny kandidà fa miandry ny famoahana izany amin’ny fomba ofisialy. Saingy raha ny loharanom-baovao dia tsy kandidà tokana fa misy mpifanandrina. Tsiahivina fa ny talata 29 avrily izao no hanaovana ny fivoriambe arahin’ny fifidianana izay hitantana ny federasionin’ity taranja ity, ho an’ny 4 taona manaraka. Hitana andraikitra goavana amin’ny fampandrosoana ity taranja ity izay ho lany eo ary antenaina fa hitondra fampivoarana ho an’ny dihy ara-panatanjahantena malagasy eto an-toerana sy any ivelany. Anisan’ny fepetra napetraka rahateo ny tsy maintsy fahavitrihana eny anivon’ny klioba, na ligy, na federasionina no afaka nirotsaka hofidina, izany hoe, mahalala tsara ny filan’ity taranja ity ka afaka ny hitondra fampandrosoana.

Mi.Raz

Partager sur: