Hamboarina ny lalana rehetra eto Antananarivo, araka ny nambaran’ny governoran’ny faritra Analamanga, Rasoamaromaka Hery, teny Ambohidahy, omaly. “Efa nampanantenaina ny vahoakan’Antananarivo izany fa somary hafainganina kokoa ny fanamboarana azy. Ezahina vitaina ny lalana rehetra”, hoy izy.
Niaraka niombom-bavaka tamin’ireo Malagasy any Paris ny filoha teo aloha, Ravalomanana Marc, tamin’ny alahadin’ny sampan-drofia teo. Nanteriny fa fiomanana amin’ny fiakarana ary fankalazana ny fahafahana ny Paka. “Zava-dehibe loatra izany eo amin’ny fiainantsika sady fety kristianina, ambony indrindra iorenan’ny finoantsika”, hoy izy.
Ifarimbonana ny andraikitra, araka ny nambaran’ny minisitra, Rabarinirinarison Rindra Hasimbelo. “Tsy voninahitry ny minisitera izatsy na izaroa no arovana fa voninahitry ny firenena manontolo. Tranobe iraisana i Madagasikara ary mifanome tanana ny eo anivon’ny governemanta”, hoy izy.
Manana tanjona ny hampiroborobo ny fifampiankinana, ny fandrosoana iraisana, ary ireo soatoavina maneran-tany, amin’ny alalan’ny diplomasia parlemantera ny fihaonamben’ny filohan’ny parlemanta “ISC”, natao tany Seoul Korea. Nivoitra izany tamin’ny famintinana nataon’ny filohan’ny Antenimierampirenena, Tokely Justin, niatrika izany.