“Rehefa apetraka amin’ny toerany ny lehiben’ny fitsarana iray dia tsy maintsy manolotra vina vitsivitsy. Ny ady amin’ny kolikoly no voalohany indrindra amin’izany, izay fanambin’ ny fitondrana ankehitriny ary imasoan’ny minisitry ny Fitsarana”. Io ny nambaran’ny tonia mpampanoa lalàna ambony amin’ny fitsarana Tampony, Andriamahavory Christian Paul, tamin’ny lanonam-pitsarana manetriketrika teny amin’ ny fitsarana Tampony Anosy, omaly, taorian’ny fianiananany. Eo koa ny fanafainganana
ny raharaham-pitsarana mba hitsinjovana ny vahoaka. Toy izany ny fanatsarana ny kalitaon’ny asa sy ny fomba fiasa ary ny fomba fandraisana an’ ireo manan-draharaha eo anivon’ny fitsarana, ny fanadiovana ny toeram-piasana mba ho mendrika.
Tsy hadino ny fampirisihana sy fanentanana ary fanitsiana ireo mpiasa eo anivon’ ny fitsrana mba hanana fitodran-tena mendrika amin’ny asam-pitsarana. Eo amin’ny lafiny fandriampahalemana, amin’ny maha mpikambana eo amin’ny sehatra nasionaly, ny lehiben’ny fampanoavana ambony amin’ny fitsarana Tampony dia tsy maintsy hojerena akaiky ireo raharaha manana fahasarotana manokana. Eo koa ireo mety hiteraka fisavorovoroana, mifandray amin’ ny lehiben’ny fampanoavana eo anivon’ny fitsarana ambaratonga voalohany manerana ny Nosy. Mavesatra ny andraikitra, ka tsy efa sy tsy zakany irery. Koa manentana ny mpiara-miasa izy ho soroka miara-milanja sy ho tongotra miara-mamindra hampandroso sy hanao tsara ny endriky ny fitsarana eo anatrehan’ny vahoaka.
Nanao fianianana sy napetraka tamin’ny toerany koa ny tonia mpampanoa lalàna ambony amin’ny fitsarana Ambony, Antananarivo, Razafindralambo Didier Alban Andriamahazonoro.
R. Nd.