Herinandro ho an’ny rano : «Sarotra ny fahazoana azy ka omen-danja ny tahiry»

Hanomboka rahampitso ny fanamarihana ny Herinandro nasionaly ho an’ny rano. Hotanterahina ao amin’ny Kianja Barea Mahamasina mandritra ny hateloana izany.

Omen-danja ny tahirin-drano ho antoky ny fam­pandrosoana ma­ha­ritra. Hisongadina amin’ny hetsika ny fampiroboroboana ny fahazoana rano fisotro ma­dio sy ny fanentanana momba ny anjara asany amin’ny fampandrosoana maharitra. Fa­nazavan’ny minisitry ny Rano, ny fanadiovana ary ny fidiovana, Andrianamelasoa Lalaina Nirina io, omaly, teny Ambo­divona.
Vokatry ny ezaka vita, 55, 8% ny tahan’ny Malagasy misitraka rano madio, raha 53% izany ny taona 2018. Natao ny Herinandro nasionaly hampivondronana ireo mpisehatra samihafa eo amin’ny rano. Hisy velakevitra, fifanakalozana manodidina ny fahazoana rano madio miaraka amin’ny ONG, ny sehatra tsy miankina ary ireo mpiray ombon’antoka teknika sy mpanohana ara-bola ho fampisitrahana rano ny vahoaka.
Ahafahana miresaka mom­ba ny olana mifandraika amin’ny rano amin’izao fotoana izao ny hateloana hanatanterahana ny hetsika eny Mahamasina. Hampahafatatra ny asany koa ireo mpisehatra miantoka ny fahazoana rano fisotro madio. Tokony homen-danja ny tahirin-drano hitazonana ny habetsahan’ny rano azo kirakiraina ka tokony harovana ny ala ary ampiasaina araka ny tokony ho izy ny rano. Lafo sady sarotra ny fahazoana rano fisotro madio ampiasain’ny tokantrano, ny orinasa… ka tokony tsitsina ny tahiry. Efa mandeha ny fanadihadiana amin’izao fotoana izao hamoronana fitahirizan-drano vaovao, toy ny any Tsiazompaniry, Mantasoa…, hoy ny fanazavany.

Tokony hitovy
Anisan’ny mpanohana ny asa fampahazoana rano madio ny Unicef, izay mahatsapa fa efa nisy ny asa vita fa mbola vitsy ihany ny tokantrano misitraka rano ary tsy mitovy ny fahazoana izany. “Tokony ha­rindra ny asa mba hahazo rano madio ny rehetra satria fepetra amin’ny fananana fahasalamana ny fahazoana mampiasa rano madio, indrindra ho an’ny ankizy”, hoy ny solontenan’ny Unicef eto amintsika, i Chris­tine Jaulmes. Nanao fanadihadiana sy nandrefy ny rano any ambanin’ny tany any Atsimo ny Unicef, ho fiomanana amin’ny fiavian’ny haintany.

Vonjy

Partager sur: