Tontosa ny faran’ny herinandro teo, tao amin’ny Campus des Métiers, ao Sainte-Pierre La Réunion, ny fifaninanana Worldskills rezionaly ho an’ny taranja Cap Peinture. Nahazo ny laharana voalohany tamin’ny fifaninanana i Jean De la Croix, mpianatra taona voalohany amin’ny sehatry ny BTP ao amin’ny Lycée Technique et Professionnel du Génie Civile Mahamasina (LTPGCM). Mpandresin’ny Worldskills rezionaly Madagasikara, natao ny 17 janoary lasa teo koa, izy rehefa nifaninana tamin’ireo kandidà enina avy amin’ny Nosy sy ny faritra manodidina.
Hetsika lehibe natokana hanandratana ny fahaiza-manaon’ireo tanora, notohanan’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa, niaraka tamin’ny Direction de l’apprentissage et de la formation initiale (Dafi) izy ity. Mamatsy vola azy ny Agence française de développement (AFD), amin’ny alalan’ny tetikasa Formapro Madagascar.
Nankasitrahin’ny mpitsara ny fahaiza-manao sy ny hatsaran’ny fomba nanatanterahany ny asany ka nanome voninahitra lehibe ny fampianarana teknika eto Madagasikara.
Maneho ny zava-bita fa afaka miatrika fifaninanana iraisam-pirenena ny tanora malagasy rehefa omen-tsafidy sy fanohanana sahaza. Tombanana fa hisy dingana manaraka hotontosaina any Marseille.
Vonjy