Vaovao ratsy ho an’ny tontolon’ny zavakanto, indrindra ny mozika. Samy nodimandry omaly, i Jojo, mpitendry vata maroafitsoka sy piano, sy i Jaqui, mpihiran’ny tarika Feon’Ala voalohany indrindra.
«Lasa moramora i Papa… », hoy ny fanambaran’i Poopy, omaly maraina, tao ami’ny pejiny « Facebook ». Nodimandry ny alin’ny alahady hifoha alatsinainy, teo amin’ny faha-79 taonany tokoa mantsy Ramahavalisoa José Allain Raymond, fantatry ny maro amin’ny anarana maha mpanakanto hoe Jojo. Mpitendry piano sy vata maroafitsoka no tena nahafantarana azy. Tsotra, tsy mba tia misehoseho mihitsy, kanefa dia tao ambadik’ireo mpanakanto marobe i Jojo, ary anisan’ireny i Poopy, zanany.
Ny taona 1979 no tena nampisongadina an’i Jojo, fony izy nanao teatra tao amin’ ny Tropy Ramarokoto, Analamanga. Nilalao, nitendry sy nihira mihitsy izy nandritra izany. Taty aoriana, nirona kokoa tamin’ny fitendrena, nanaraka ireo mpanakanto maro. Anisan’ireny i Voahirana izay anabaviny, ry Henri Ratsimbazafy, Salomon sy Romule, tao amin’ny Kintana Telo. Rehefa fampisehoana misy famerenana ny hiran’ny omaly, voaantso tao ambadiky ny vata maroafitsoka hatrany i Jojo. Lasa tarika mihitsy aza ny Ny Omaly taty aoriana, ary teo hatrany izy. Nanoro sy nampita traikefa tamina mpitendry maro ihany koa, amin’ ny maha mpitahiry vakoka azy, indrindra eo amin’ny lafiny fitendrena ireo hira taloha.
Vaovao ratsy roa
Mbola vaovao ratsy nampitaina omaly ihany koa ny fahalasanan-dRazafiarisoa Jaqueline na i Jaqui. Mpihira voalohany tao amin’ny tarika Feon’ Ala, niaraka tamin’i Lolona sy i Lalao izy, tamin’izany. Nalaza satria nitondra rivo-baovao teo amin’ny tontolon’ny mozika teto Madagasikara ny tarika Feon’Ala izay notarihin’i Charles Maurin Pôty tany amin’ny faramparan’ny taona 80 sy fanombohan’ny taona 90 tany ho any. Niavaka tamin’ny feo mangany i Jaqui tao anatin’ny tarika Feon’Ala andiany voalohany, ary nahavita fampisehoana sy fitetezam-paritra maro izy ireo tamin’izany.
Nangonin’i Zo ny Aina