Motorshow 2025 : Nahasarika olona maro ireo fiara hiaka farany

Nianoka ny fahafinaretan’ny taranja mekanika ireo mpitsidika tonga maro tetsy Mahamasina nandritra ny “Motorshow 2025”, andiany faharoa. Afapo ny maso, nahazo fafiny ny vatana nahita sy niaina ireo fireondreon’ny moteran’ireo fiara sy kodiaran-droa naseho nandritra ny roa andro.

Fahombiazana ny “Motor­show 2025”, andiany faharoa. Fihaonana sy fampirantiana ireo fiara sy kodiaran-droa, notanterahina tetsy amin’ny Kianja Barea Mahamasina, ny sabotsy 13 sy ny alahady 14 avrily lasa teo. Hetsika nokarakarain’ireo tanora ao anatin’ny tontolon’ny familiana fiarakodia sy moto. Nihoatra lavitra noho ny tamin’ny andiany voalohany ireo mpitsidika, nahitana sarangan’olona samihafa, lehibe, ankizy, tanora ary zokiolona, gasy sy vahiny nankafy ny taranja mekanika, araka ny nambaran-dRanaivo Tojo, tomponandraikitra voalohany.
Nahatratra 220 ny totalin’ireo fiara sy kodiaran-droa naranty, nahitana ireo tranainy sy ny hiaka farany. Tao ireo fitondra amin’ny fifaninanana sy ny tsotra amin’ny marika isan-karazany, toy ny “Peu­geot, Renault, citroen, Wolks­wagen, Ford, Mustang, Ferra­ri… Nahavariana ny maro ireo fiara taloha, 2CV, 404, 403 sy ny hafa tamin’ny endriny raitra sy kanto. Teo koa ireo vaovao, toy ny Lamborghini sy ny Tesla, nahasarika ny ankamaroan’ireo mpitsidika.
Nanazava tamin’ireo mpitsidika ny amin’ireo fiara narantiny moa ireo tompony. Naseho tao koa ireo fiara madinika “miniature”. Ho faha­tsiarovana, afaka naka sary niaraka tamin’ny fiara nankafiziny ireo mpitsidika. “Hoentina hanampiana ireo hopitaly mikarakara zaza marary tsy misy mpiahy ao aminy eto an-drenivohitra ny vola rehetra azo tamin’ity “Motorshow 2025” ity”, hoy Ranaivo Tojo. Nomarihiny fa tsy fitadiavana tombontsoa ny nanaovana ny hetsika fa fifampizarana zavatra ankafizina ary entina hanampiana ny mpiray tanindrazana mila vonjy. Ankoatra ny “Motoshow”, nisy fisarihana tombola nahazoana tapakila hitsidihina an’i Dubai koa, ho an’ireo mpanatrika.

Torcelin

Partager sur: