Na sarotra aza ny lalana : Manohy ny diany ny tarika Honoré Soukouss

Taona 1998, nikirakira sy nandalina mozika Rakotonja­nahary Honoré, mitondra ny solonarana “Honoré Sou­kouss”. Mamoron-kira, mihira, mitendry zavamaneno ary mandrindra azy ireo. Nipoitra avy ao amina fianakaviana mpihiragasy izy. Anisany nanampy betsaka azy amin’ny fampiakarana hatrany ny lentan’ny mozika lalaoviny ihany koa ny naha mpikambana azy teo anivona antoko mpihira.

Mirona kokoa amin’ny fiangaliana sy ny famolahana ny ban-kira mihetsika (mozika tropikaly) ny tarika Honoré Soukouss, ahitana mpikam­bana 13 ankehitriny. Ampahany amin’ireo tsanganasa nahafantaran’ny maro ny tarika ilay vazo “Tsy misy miala eo Rasta”, “Sao dia mba tsy Ianao?”,
” Fitiavana no mampiray”,
” Randrana maro loko no ma­hatsara Anao”. Ity farany izay maneho ny maha kanto ny taovolo sy ny ampela mala­gasy.
“Hatevenina ny fitetezam-paritra sy ny fanajariana sanganasa vaovao amin’ity taona ity”, hoy Rakotonjanahary Honoré. Marihina fa, ankehitriny, ireo zanany lahy sy vavy no miara-mandrafitra ny tarika Honoré Soukouss. Ireo taranany izay efa hita soritra ny fitiavana sy ny talenta ananany eo amin’ny filalaovana ny mozika.
Na lalan-tsarotra aza no diavina amin’ny fanaovana mozika. Manohy hantrany ny diany ny fianakaviana Rako­tonjanahary Honoré. Mihazo mankany amin’ny fahombiazana.

Nangonin’i HaRy Razafindrakoto

Partager sur: