Polisy nitifitra olona : Nitokona ny mponin’Ilanivato Anosipatrana

Nitokona manoloana ny biraon’ny polisy eny Ilanivato Anosipatrana ny mponina, halina. Voalaza fa nisy polisy nitifitra olona teny an-toerana. ”Fiarovan-tena ny anay”, hoy kosa ny polisy.

Nitangorona nanoloana ny biraon’ny polisy eny Ilanivato ny fokonolona, omaly tamin’ny 7 ora sy sasany hariva. Nahatonga ny fitokonana nataon’ny mponina ny fitifirana lehilahy iray ka naratra mafy. “Tsy salama saina io lehilahy io. Notifirin’ny polisy anefa izy ka voa ny tongony sy ny faritry ny fihirifany”, hoy ny fanazavan’ny nanatri-maso. Naratra mafy vokatry ny tifitra nahazo azy izy. Nitangorona tao anatin’ny minitra vitsy ireo mponina manodidina rehefa naheno ny poa-basy indroa nisesy. Nitsirara tamin’ny tany ilay voatifitra. Nentina namonjy hopitaly satria voan’ny bala ny tongony sy ny kibony. Naneho ny hatezerany nanoloana ny voalaza fa fi­hoaram-pefy tamin’ny alalan’ ny fampiasana fitaovam-piadiana nataon’ny mpitandro fi­laminana ny mpitokona, araka ny nambaran’izy ireo. “Tsy mpangalatra na mpamono olona saingy tifirina ankitsi­rano”, hoy ny loharanom-baovao.

Nitondra antsy

Tetsy ankilany, “nitondra antsy io lehilahy io sady mamo. Nikasa hamono ny polisy hisambotra azy”, hoy ny fanazavan’ny polisy avy eo anivon’ny PA Ilanivato. Niaro tena araka izany, ilay mpitandro filaminana ka antony naha­tonga azy nitifitra. “Saika voa­tsatoka antsy ny namanay raha toa ka tsy niaro ny tenany”, hoy ny fanazavana voaray.
Na izany aza, nidina an-dalambe naneho ny hateze­rany ny fokonolona. Namerina amin’ny laoniny ny fandriampahalemana teny an-toerana ny mpitandro filaminana.

Tsiferana R/ Mino

Partager sur: