SOMBIM-BAOVAO

Tohin’ny “Morengy Iarivo” natao teto Antananarivo, ny 6 avrily lasa teo, hiditra amin’ny avo lenta kokoa ny fifaninanana izay karakarain’ny Boîte Noire. Hisy, araka izany, ny “Morengy International” hatao ny 18 mey izao, any Nosy Be. Ady anisan’ny andrasana ny fifandonan’i Manu Phoenix avy any La Réunion sy ny Malagasy, i Black Canon (Club Scorpion).

Nanatanteraka fivoriambe ny alahady 12 avrily lasa teo, ny teo anivon’ny Federasionina malagasin’ny volley-ball, izay natao teny amin’ny ANS Ampefiloha. Niroso avy hatrany tamin’ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, sokajy U14 sy U18, ny fandaharam-potoana. Fifaninanana haharitra hatramin’ny 18 avrily izao.

Ho fantatra manomboka anio ny anaran’ireo klioba efatra tafita any amin’ny manasa-dalan’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa, « Ligue des Champions 2025 ». Araka ny fikarohana natao, hifanandrina anio, ao Iduna Park Allemagne, ny Dortmund Allemagne sy ny FC Barcelone Espagne.

Nahazo karatra mena, nandritra ny fihaonana tamin’ny Deportivo Alaves, ny alahady lasa teo, i Kylian Mbappé, mpilalaon’ny Real Madrid Espagne. Araka ny fantatra, mety tsy hilalao amin’ny fihaonana efatra any Espagne ity mpilalao ity. Araka izany, ahina ny tsy hanatrehany ny famaranana ny fiadiana ny amboaran’i Espagne.

Partager sur: