Raim-pianakaviana iray 52 taona maty nilatsaham-potaka tany Bemasoandro, kaominina Mahatsinjo, distrikan’i Maevatanàna, ny alahady lasa teo. Teny an-dalana hamonjy fodiana izy io, niaraka tamin’ny olona telo hafa. Nandroaka omby efatra izy ireo no nirefotra tampoka ny varatra ka niantefa taminy. Tsy nisy naninona kosa ireo omby.
Lehilahy roa nosamborin’ny Polisy avy ao amin’ ny Kaomisaria Ihosy, tany Ankily, amin’ny RN7 mihazo an’i Toliara. Tratra noho ny rongony natao tao anaty kamiao iray nitondra arina fandrehitra izy ireo. Nahitana gony efatra voasesika rongony, milanja 52 kilao, tao anatin’ilay fiara.