Nitrangana lozam-pifamovoizana indray tetsy Behoririka, tamin’ny lalana Dokotera Ramisaray, omaly tamin’ny 10 ora sy sasany maraina. Tsy fahatomombanana teo amin’ny fiara Mercedes-Benz Sprinter, zotra 199, ny antony niavian’ny loza. Avy any Analakely hihazo an’i Behoririka io fiara io, no tapaka hisatra tampoka teo am-pidinana ka nifaoka olona. Voafaokany voalohany, nandritra izany, ny moto iray nandeha teo alohany. Mbola nandona olona efatra hafa mpividy entana sy mpandeha tamin’ny sisin-dalana ihany koa izy taorian’izay. Ramatoa 30 taona nitrotro zaza efa-bolana no voadona faharoa ary voatsindry tao ambany fiara, raha toa ka tsy naninona kosa ilay zaza. Nitohy ny fandonana ka lehilahy roa (36 sy 21 taona) hafa indray no voa avy eo. Nentina notsaboina eny anivon’ny hopitaly HJRA avokoa moa ireo naratra taorian’ny tranga. Mbola manaraka fitsaboana eny anivon’ny hopitaly izy ireo, raha ny fantatra. Tsy mbola mahatsiaro tena, ao amin’ny sampana famelomana aina, eny anivon’ny hopitaly HJRA io ramatoa io hatramin’ny omaly hariva. Raha toa ka efa tsy misy ahina kosa ny ain’ilay zazavavikely efa-bolana notrotroiny. Notazomina nanaovana fanadihadiana sy famotorana eny anivon’ny polisim-pirenena kosa ilay mpamily fiara nahatonga ny loza. Ilaina hatrany ny fikojakojana sy fanaovana fitsirihana ny fiara mba hisorohana ny loza tahaka izao.
Mino