Notokanana tamin’ny fomba ofisialy, ny faran’ny herinandro teo, ny Lapan’Ampela Miray hina ao amin’ny distrikan’i Vohibato, faritra Matsiatra Ambony. Fiaraha-mientan’ny fikambanam-behivavy ao an-toerana no nahafahana nanangana ny fotodrafitrasa. Nanampy tamin’ny fampitaovana kosa ny minisiteran’ny Mponina sy ny firaisankina.
Toerana ahafahan’ny vehivavy mivory sy manao fampianarana ary mamolavola tetikasa ny Lapan’Ampela. Hahafahana manatanteraka fiofanana isan-karazany, indrindra koa hoentina mampandroso ny fidiram-bolan’ny tsirairay.
Nanolotra milina fanjairana sy kojakoja ho amin’izany ny minisiteran’ny Mponina, izay naterin’ny minisitra Razafinjato Aurélie. Nanome vilanibe ihany koa ahafahana mianatra mahandro ka tanjona mba hiantohan’ny fikambanam-behivavy ny sakafo rehefa misy fivoriana hahafahan’izy ireo mampidi-bola.
Natolotra ihany koa ny vata fampangatsiahana mandeha amin’ny herin’ny masoandro izay natao hitahirizana vaksiny ho an’ny akoho, ho an’ny Association Ainga Madagascar. Ankoatra izany ny fanolorana mari-pankasitrahana ho an’ireo nanaraka ny fiofanana mahasika ny ady amin’ny herisetra mifototra amin’ny maha lahy sy ny maha vavy ary ny fametrahana samboady ho an’ireo lefitry ny ben’ny Tanàna.
Tatiana A