… Amin’ny teny vahiny: Simba hasina ny kolontsaina

Saika ny firenena rehetra eto ambany masoandro, manana ny kolontsainy avokoa. Ny fanajana sy ny fanomezan-kasina azy ireny no mety ho samihafa. Ny kabary sy ny vontoatiny ary ny fananana olona masim-bava miteny, an’ny Malagasy. Azo antoka fa tsy hitoetra ireo rehetra ireo raha hatao amin’ny fiteny vahiny. Ny endrika ivelany ihany no mety hanakaiky ny tena izy.
Hanimba ny hasin’ny kolontsaina sy ny zavakanto, ny fomba amam-panao sy ny soatoavina, ny famadihana azy ireny amin’ny fiteny vahiny. Ankoatra ireo voambolana tsy ahitana dikan-teny. Mbola maro amin’ny teny malagasy no manan-kasina lehibe sy mifono fonjan-kevitra tsy ho tafita any amin’ny vahiny, satria, «samy hafa ny rano nandroana».
… Mahay manaja vahiny ny Malagasy. Amin’ny lafiny iray, efa lova io. Saingy, tsy tokony hanimbana sy hamonoana hasina ny fanaovana izany. Fanajana vahiny tsy tokony hiteraka fanaovana tsinontsinona ny maha izy ny tena sy ny firenena. Ankehitriny, efa misy amin’ny mpikabary no mikabary amin’ny fiteny vahiny. Mbola kabary ve no iantsoana izany?

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: