Andro iraisam-pirenena ho an’ny dihy : Omena vahana ao anatin’ny herinandro ny fiofanana

Mankalaza ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny dihy, fanao isan-taona, i Madagasikara. Amin’ity taona 2025 ity, tsy ao anatin’ny indray andro tahaka ny natao hatramin’izay ny hetsika hotanterahina fa herinandro.

Ny 22 avrily, hosokafana amin’ny fomba ofisialy ny hetsika fankalazana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny dihy. Tsy ao anatin’ny andro iray tahaka ny nahazatra hatramin’izay fa haharitra herinandro. Homena vahana mandritra ireo fotoana ireo ny fiofanana. Ny 22 avrily, amin’ ny 2 ora ka hatramin’ny 4 ora tolakandro. Ny 23 sy ny 24 ary ny 25 avrily amin’ny 10 ora maraina ka hatramin’ny 12 ora atoandro. Samy ao amin’ny Ivokolo Analakely, no hanatanterahina izany miaraka amin’i Falihery Ratovonirina. Tsy havahana fa ireo tanora rehetra mihoatra ny 15 taona, raisina hanatrika ny fiofanana.

Ny sabotsy 26 sy ny ala­hady 27 avrily, manomboka amin’ny 10 ora maraina ka hatramin’ny 6 ora hariva, ao amin’ny Havoria Anosy. Ho hita hanatanteraka seho ao avokoa na ireo tarika mpandihy vao misondrotra na ireo efa manana ny maha izy azy. Tahaka izany ihany koa ny karazan-dihy hoentina eny an-tsehatra (dihy malagasy, ireo fahita eny an-tanàn-dehibe, danse de salon, dihy ankehitriny…). Ny talata 29 avrily, ivon’ny fankalazana. Fampi­tana ireo fahalalana izay norantovina nandritra ny fiofanana. Ny alarobia 30 avrily, «bal masqué» hotanterahina ao amin’ny Planète Ambohi­jatovo. Famaranana ny fankalazana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny dihy.
Tao anatin’ny 10 taona teo ho eo. Niroborobo ny tonto­lon’ny dihy eto Madagasikara. Niha maro ny toerana ahafahana mianatra sy mifanakalo traikefa amin’ny dihy. Mbola endrika maneho izay fivelarana izay ihany koa ny fahasamihafan’ireo dihy hianarana any amin’ireny toerana ireny. Nitombo isa ihany koa ny sekoly mampiditra ho taranja ianarana ny dihy.

Fantatra fa anisan’ny olona tia sy mahay mandihy ny Malagasy. Manana karazan-dihy maro rahateo koa isika.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: