Ankizilahy maty nokendaina : Novonoin’ny raikeliny tamin’ny tadim-poketra

Maty novonoina tao an-tranony ny ankizilahy vao 10 taona monja. Nofatorana tamin’ny talantalana amin’ny fitoeran-damba sy nokendaina tamin’ny tadim-poketra izy. Ahina ho tompon’antoka ny raikeliny.

Zava-doza! Ankizilahy iray tokony ho 10 taona no maty novonoina, omaly maraina. Tany amin’ny tanànan’i Beronono, fokon­tany Soanafindra, kaominina ambonivohitra sy distrika Tsiroanomandidy no nitran­gan’izany. Nokendaina ta­min’ny tadim-poketra izy. Mbola nofatorana tamin’ny talantalana hazo, fasiana lamba ny tongony tao amin’ny efitrano fatoriany. Ny raikeliny ihany no ahina ho tompon’antoka tamin’ny famono­ana azy.

Miara-mipetraka amin’ity raikeliny ity izy telo miraha­lahy mpiray tampo: ny zokiny 15 taona, ny zandriny enin-taona. Tsy tao an-trano efa ho herinandro kosa ny reniny, nan­dritra ny nisehoan’ny vono olona. Araka ny fampitam-baovao avy amin’ny mpitandro filaminana, fahasorenana tamin’ilay zaza no nahatonga izao heloka bevava izao. Voalaza fa naka lamba tao amin’ny fitoeran’entan’ilay ramatoa ity raim-pianakaviana no nosakanan’ity niharan’ny habibiana ity.
Tsy tao an-trano ny rahalahin’ny maty nandritra ny vono olona, izay efa nirahan’ ilay raim-pianakaviana handeha mivoaka. Nidina ifotony nijery ny zava-nisy ny polisy avy ao Tsiroanomandidy rehefa naharay antso avy amin’ny manodidina, omaly. Natolotra ny fianakaviana ny razana taorian’ny fizahana nataon’ny mpitsabo.
Voasambotra

Tsy niandry ela ny fanadihadiana. Nisy ny fikarohana nataon’ny mpitandro filami­nana noho ilay raikely niala tao an-tanàna. Nifanome tanana ny polisy sy ny zandary. Natao ny fomba nahatrarana azy faran’izay haingana. Tra-tehaka tao Miaraman­droso, lalana mankany amin’ ny kaominina ambanivohitra Tsinjoarivo 22, disitrikan’i Fenoarivobe izy. Ny zandary nandrindra ny fifamoivoizana no nahasambotra azy. Ny polisim-pirenena kosa no manao ny fakana am-bavany sy ny fanadihadiana savaranonando. Hatolotra ny fampanoavana kosa izy aorian’ny famotorana.

Mino

Partager sur: