Antsa Paska 2025 – chorale Orimbato: Hanolotra ny « Velona mandrakizay »

Toy ny fanaony isan-taona, hanolotra amboaran-kira Paska ny Chorale Orim­bato, ny alahady 20 avrily izao, manomboka amin’ny 3 ora sy sasany tolakandro, ao amin’ny FJKM Tranovato Ambatonakanga. Hanana en­drika miavaka ny amin’ity taona ity, satria, hiarahany miasa amin’ny Fikambanana mampiely baiboly malagasy (FMBM), noho ny faha-190 taona nahavitana printy voa­lohany ny Baiboly Malagasy.

Endrika voalohany, fampirantiana momba ny tantaran’ ny Baiboly Malagasy, izay nandalo vanim-potoana fito rehefa namoaka didy Radama I fa ny soratra latinina no hanoratana ny teny malagasy, tamin’ny 26 marsa 1823. Ny endrika faharoa, amboaran-kira izay narafitra amin’ny ankapobeny tamin’ny sanganasan’ireo mpamoron-kira ao amin’ny Chorale Orimbato. Ahitana fizaram-potoana roa. Tapany voalohany, handre­nesana ireo hira momba ny fijaliana sy ny fahafatesana ary ny fitsanganan’ny Tompo tamin’ny maty. Ho re amin’ izany ny «Kalvary» (Fara Ra­tovo), «Velona ny Tompo» (Razafindramanga Minoni­aina), «Derao Izy» (Emma Razafimamonjy) … Ny tapany faharoa kosa hatolotry ny mpanentana avy ao amin’ny FMBM, ifantohana amin’ny teny fanevan’ny faha-190 taonan’ny Baiboly Malagasy : «Mandre, mandray ary ma­moa». Elanelanin’ny hira tsy mbola fandre toy ny «Fi­derana ny Mpamorona» (P. Andriantsalama), «Teny soa» (J. Rakotonirainy), «Hanompo Anao» (Tsiresy Rajaonari­fetra), sns.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: