Fankalazana ny Paka : Hitombo isa ny polisy eny an-kianja

“Hamafisina ny fandriampahalemana manerana ny Nosy”, hoy ny fanazavan’ny tale jeneralin’ny polisim-pirenena, ny contrôleur général de Police Rakotozanany Dany Marius, omaly. Hiampy ny isan’ireo mpitandro filaminana hisehatra eny an-kianja, mialoha, mandritra ary aorian’ny fetin’ny Paka, ho an’ny Reni­vohitra. Manoloana ny tranga tsy fandriampahalemana miseho matetika, hanamafy ny fanaraha-maso sy fisafoana miaraka amin’ireo hery fiarovana hafa, toy ny zandary sy ny Tafika, ny polisy. Nametra­ka lamina manokana hanatrarana ireo olon-dratsy rahateo izy ireo. Etsy ankilany, nanamafy ny Tale jeneralin’ny polisim-pirenena fa mandray anjara mivantana koa amin’ny fametrahana fandriampahalemana mandritra ny fanatanterahana ny fivoariambe iraisam-pirenena sy ny fahatongavan’ireo filoham-pirenena hafa eto an-toerana izy ireo. Miaro ny vahoaka sy ny fananany, miantso ny olom-pirenena rehetra hampandre hatrany azy ireo, manoloana ny tranga mampiahiahy eny anivon’ny fiarahamonina ny polisy. Fiara-miasa sy fifanomezan-tanana no ahafahana mampanjaka ny filaminana, ho azy ireo. Raha tsiahivina, niseholany tato ho ato ny fahatraran’ ny polisy mpivarotra zava-mahadomelina sy jiolahy mpanao asa ratsy. Tsy mionona amin’ny vokatra efa azo anefa izy ireo, miezaka hatrany ny ha­mongorana ireo mpanao ratsy.

Tsiferana R.

Partager sur: