Nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy, omaly, tetsy amin’ny Carlton Anosy, ny didim-panjakana fampifanarahana ny fampiasam-bola amin’ny tontolo iainana (Mecie), laharana 2025-080, nivoaka ny janoary 2025. Miandraikitra azy ny Ofisim-pirenena ho an’ny tontolo iainana (ONE).
Fitaovana lehibe ho an’ny fampifandanjana ny fampiasam-bolan’ny orinasa sy ny fiarovana ny rohy voahary, ny hatsaram-piainana ara-tsosialy ary ny loharanon-karena voajanahary ny Fanombanana ara-tontolo iainana sy sosialy (EES). Manohy avy hatrany mampihatra azy ny orinasa efa manana ny fahazoan-dalana, ary mampihatra ny didim-panjakana vaovao kosa ireo izay vao miorina na taty aoriana.
Nampiharina voalohany, ny taona 1992, ny didim-panjakana Mecie. Nilaza ny minisitry ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovainjafy (Medd), Andonirina Max Fontaine, omaly, fa « nivoatra sy nisy fiovana lehibe ny tontolo iainana tao anatin’izay an-taonany maro izay. Miisa 191 ny andininy ao anatin’ny Mecie, ka tsy maintsy nojerena tsirairay ny lafiny tokony ho nohavaozina. Marihina fa tena ao anatin’ny tontolo iainana ny olombelona, fa tsy ny biby na zavamaniry ihany. Raisina ho toy ny fanazaran-tena ataon’ny miaramila ity fanavaozana ity, izany hoe, sarotra sy mafy, saingy hita ny tombontsoa aminy rehetra zatra sy folaka tsara ».
Njaka A.