Ho fanatsarana hatrany ny teknika ho an’ny taranja Jiu-jitsu breziliana eto Madagasikara, hisy indray ny vahiny manampahaizana ho avy eto hanatanteraka seminera. Tsy iza izany fa i Eric Noel, izy izay namorona ny Komaru Jiu-jitsu, teratany kanadianina. Ny 16 mey izao, eny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, no hanaovana izany. Hiarahan’i Eric Noel sy Radafy Ranaivo manatanteraka ity seminera ity, ka hizaran’izy ireo ny traikefa izy mandritra izany. I Eric Noel no hiandraikitra ny GI ary Radafy Ranaivo kosa no hisahana ny No Gi, amin’ity fifampizarana ity. Ho feno ny fandaharam-potoana, izay hanomboka amin’ ny 3 ora tolakandro ary hifarana amin’ ny 7 ora hariva. Hitohy avy hatrany amin’ny fifaninanana “Lemur Cup” ny fandaharam-potoana, ny ampitso, ny 17 mey, eny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina ihany. Ny klioban’ny Guerreros no mikarakara ity fifaninanana ity, izay misokatra ho an’ny klioba rehetra. Tsiahivina fa fifaninanana efa fanao isan-taona ny “Lemur Cup”.
Efa nanomboka ny taona 1989 no niditra teo amin’ny “arts martiaux” i Eric Noel ary fanta-daza tamin’ny taranja rehetra niangaliany. Tepana mainty “3è degré” i Eric ary toraka izany koa ho an’ny taranja judo izay nahazoany mari-pankasitrahana maro.
Mi.Raz