Anisan’ny mampiavaka ny firenena iray amin’ny hafa ny kolontsaina ao aminy. Hatramin’izao, anefa, miantehitra amin-javatra hafa io kolontsaina io fa tsy avela hisongadina. Miantehitra amin’ny toekarena na politika. Tahaka ny tsy misy ny kolontsaina manoloana ireo.
Manana ny antom-pisiany ny mpampianatra sy ny mpanabe. Amin’izao fotoana, maro ireo tsy mahafantatra izany ka manolo azy ireny amina zavatra hafa tahaka ny teknolojia vaovao. Fampianarana hampitain-davitra. Io no anisan’ny hampidina tsikelikely ny fampiasan’ny Malagasy ny saina amam-panahiny ka mety hiteraka hatrany amin’ny fiankinan-doha tsy ho azo hialana intsony any aoriana.
Fikarohana sy fampianarana. Hivoaka tsy ho ela ny boky mirakitra ny fanisana andro malagasy. Anisan’ny hampiavaka azy ity ny fananany fototra matanjaka eo amin’ny fanaporofoana fa nanaraka ny fihodin’ny volana sy ny masoandro ny Malagasy.
Manana adidy lehibe amin’ny fitaizana ny taranany ny ray aman-dreny. Mbola olana saro-bahana anefa ny fampitoviana ny tadin-dokanga eo amin’izy ireo sy ny tanora. Raha mbola kitoatoa ny rafi-piaraha-monina sy ny fanabeazana, mbola ho sahirana amin’ny fifandraisana ny roa tonta. Noho izany, ny tontolon’ny fanabeazana no mila havaozina sy omena lanja tsara kokoa.