Manana mpilalao tenisy miatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, ho an’ny sokajy U16, i Madagasikara. Mianadahy izy ireo, ka i Soa Ainatia eo amin’ny vehivavy, ary i Mirija ho an’ny lehilahy. Resy teo amin’ny fihodinana voalohany i Ainatia raha tafita kosa izy teo amin’ny olon-droa.
Niatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja tenisy, sokajy U16, i Madagasikara. Fifaninanana tanterahina any Le Caire Egypte, nanomboka ny alatsinainy lasa teo. Ny talata, niditra an-tsehatra ny hany solontena teo amin’ny vehivavy dia Andriamaniraka Soa Ainatia. Ratsy fanombohana ny tovovavy satria resin’ilay egyptianina tompon-jaridaina, i Self Eldin Youssef Jana, tamin’ny seta 2 no ho 0 (6/0; 6/1). Tsy niady mihitsy ny fihaonana teo amin’izy mirahavavy fa nanantombo tamin’ ny lafiny rehetra ilay ejiptianina, izay efa zatra lalao iraisam-pirenena. Porofon’izany, tsy nahazo lalao mihitsy i Ainatia nandritra ny seta voalohany. Niezaka nanohitra ihany ny tovovavy teo amin’ny seta faharoa saingy tsy tafavoaka mihitsy. “Jeu” iray monja no hany mba azony tamin’izany.
Afaka nanarina ny tovovavy teo amin’ny lalao ho an’olon-droa, niarahany tamin’ilay afrikanina tatsimo, i Bredenkamp Roxy. Lavon’izy mirahavavy tamin’ny seta 2 no ho 1 (4/6 ; 6/3 ; 10/6) ireo alzerianina mirahavavy, Abidat Kawtar sy i Iachouren Nora. Niady ny fihaonan’izy ireo satria efa tany amin’ny seta fahatelo vao nivoaka ho mpandresy izy ireo. Lasan’ireo alzerianina ny seta voalohany, avy eo nosahalain-dry Soa Ainatia sy i Roxy. Hifandona amin’ireo maraokanina, i Bezza Lina sy i Douyeb Yasmine, izy mirahavavy eo amin’ny ampahefa-dalana.
Ho an’i Mirija indray, tsy niatrika ny fihodinana voalohany fa avy hatrany dia tafita amin’ny dingana faharoa. Teo amin’ny olon-droa niaraka tamin’ilay botsoaney, i Raguin Ntungamili, i Mirija no nifandona tamin’ireo ejiptianina, i Abdelrahman Eltaher sy i Sherif Shoaib Hassan, eo amin’ny ampahefa-dalana.
Tompondaka