Ady totohondry : Nankatoavin’ny CIO ny Federasionina malagasy

Efa manana taratasy fahazoan-dalana amin’izao fotoana izao ny Federasionina malagasin’ny ady totohondry, araka ny nambaran’ny filohan’ity Federasionina ity, Rabarison Hery Mamy. Ny eo anivon’ny CIO (Comité international Olympique) no nanome alalana ny World Boxing ka nahazoana ny fankatoavana. Etsy ankilan’izay, mangataka ny fanjakana malagasy ihany koa ny eo anivon’ny Federasionina malagasy mba hanome ny fankatoavana satria efa azo ny taratasy avy amin’ny iraisam-pirenena. Tsiahivina fa efa 12 taona izay no nahavoasazy an’i Madagasikara.
Eo amin’ity taranja ity hatrany, nisy ny “recyclage” ho an’ny mpanazatra ny 12 sy 13 avrily lasa teo, teny amin’ny INSPNMAD Ambaranjana. Nandray anjara tamin’izany ireo mpanazatra manerana ny Nosy, ny avy eto Analamanga, Vakinanka­ratra, Bongolava, Alaotra Mangoro ary Itasy. 55 ny isan’ny mpiofana, ka 51 lehilahy ary 4 vehivavy. Tohin’ny fandaharam-potoana, hisy ny fiofanana ho an’ny mpitsara ny 17 sy 18 mey. Ny volana jona kosa ny “l’enfant et la boxe” hiarahana amin’ny CUA ary ny 21 hatramin’ny 24 oktobra ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara.

Mi.Raz

Partager sur: