Nitondra ny heviny momba ny fandaminana sy fikolokoloana an’Antananarivo, i Rinah Rakotomanga, omaly. Nambarany fa tsy idiran’ny filoha Frantsay na madio na maloto ny Renivohitra. “Vahiny mandalo miserana ireny saingy hitodika aty amintsika ny mason’izao tontolo izao koa ndao hadio sy hanaiky lamina isika”, hoy izy.
Nankatoavin’ny filankevitry ny minisitra ny fanefana ireo vola haloa fanonerana ny fanesorana fizaka-manana ireo voly voakasiky ny fananganana ny tanàna vaovao Tana-Masoandro. Hirosoana ny fandoavana ny onitra ho an’ireo efa voafaritra sy voamarina fa tompon’ireo fananana voakasiky ny tetikasa.
Notendren’ny papa Fransoa ho evekan’i Fenoarivo Atsinanana, ny Mgr Marek Ochlak. Lehibe Provensialin’ny Oblats de Marie Immaculée an’ny Provensin’i Pologne ankehitriny. Tsiahivina fa tonga teto Madagasikara, ny 8 aogositra 1995, ny Mgr Marek Ochlak. Efa misionera tany amin’ireo paroasy ambanivohitra, tany amin’ny Diosezin’i Toamasina izy.
Mivonona ny hilanja sorabaventy ny mpanohitra eo anivon’ny HPM – ACS amin’ny fahatongavan’ny filoha frantsay, Emmanuel Macron, eto Antananarivo. “Fitakiana ny hamerenana ireo Nosy Malagasy no hatao… Ny fanjakana rahateo koa mitaky izany. Fanao amin’ny tany demokratika koa izany”, hoy Ralison Roger.