Fikarakarana hetsika: Tsy ampy ny fotodrafitrasa ho an’ny zavakanto

Sahirana ireo mpisehatra amin’ny zavakanto eto Madagasikara. Tsy ampy na tsy misy mihitsy ny fotodrafitrasa manara-penitra, mety amin’ny sehatra tsirairay. Mionona amin’izay azo ampiasaina ny mpanatalenta sy ny mpikarakara, ka mandatsaka ny kalitaon’ny seho matetika.

«Tsara ny Lapan’ny fanatanjahantena, fa mba aiza ny an’ny zavakanto? » hoy ny fanontaniana napetrak’i Sareraka tanatin’ilay hira « Méditation ». Tsy mbola voavaly tanteraka io fanontaniana io hatramin’izao. Anisan’ny mampandringa ny fampiroboroboana ny zavakanto eto Madagasikara ny tsy fahampian’ny fotodrafitrasa manokana ho an’izany. Manana vitsivitsy ihany ny fampisehoana mozika, fa ny sehakanto hafa toy ny teatra, sarimihetsika sy ny kanto hampirantiana rehetra kosa no sahirana. Ny kely misy, tsy manara-penitra sady tsy mamaly ny filana.
Nisy ny ezaka nataon’ny minisitera mpiahy, tamin’ny alalan’ ny fananganana fotodrafitrasa, indrindra ireo Tranoben’ny kolontsaina sy ny serasera manerana ny faritra maromaro. Soa fa nisy azy ireny afaka mandray karazana hetsika maro toy ny fampirantiana sy ny fampisehoana anaty efitrano. Tsy mbola ampy anefa, satria nihantona ny tetikasa any amin’ny faritra sasany. Anisan’ny goavana indrindra saingy nihantona ihany koa, ilay Akademian’ny zavakanto sy ny kolontsaina na ny Anac etsy Ambohitsorohitra. Io no tena toerana manokana ho an’ny zavakanto madiodio, raha tontosa hatramin’ny farany.

????????????????????????????????????

Mamono tsikelikely ny kanto
Tsy takony hafenina fa anisan’ny mijaly indrindra amin’ny fotodrafitrasa ireo mpanao teatra. Miraviravy tanana sisa ireo mpisehatra, satria ny toerana hiseharana mihitsy no manahirana. Ho an’ny teto Antananarivo, ny Teatra Monisipaly etsy Isotry no nahazatra ela. Taona maromaro anefa izay no tsy azo nampiasaina intsony izany. Zara aza nisy ny Efitrano Charles Ravaloson, etsy amin’ny Ivokolo Analakely, mba hahafahan’ireo tropy misehatra. Tsy tena marisika intsony anefa ireo mpisehatra, ka mihalefy tsikelikely ilay fampitiavana ny teatra noho izay antony izay.
Ny sarimihetsika malagasy ihany koa no tena lasibatra indrindra amin’ny tsy fananana fotodrafitrasa. Raha toa ka niroborobo be tany amin’ny taona 80 sy 90 ny fijerena sarimihetsika anaty efitrano, nihalefy, avy eo nilentika tanteraka izany, indrindra nanomboka ny taona 2000. Very tanteraka ilay fankafizana sarimihetsika anaty efitrano, nosoloin’ny VCD sy DVD. Nampitontongana ny kalitaon’ny sarimihetsika malagasy mihitsy izany, satria tsy ampy hamerenana ny lany raha toa ka avo lenta, ny varotra kapila fotsiny, izay efa nopotehin’ny piraty ihany koa. Tsy misy azo hampiasaina ho an’ny sarimihetsika intsony ireo « cinéma » nalaza taloha, izay lasa toeram-pivavahana ny ankamaroany ny eto Antananarivo.
Ezaka lehibe mendrika fankasitrahana ihany koa ny Kianjan’ny Hiragasy ao Anosy. Iaraha-mahalala fa kanto mbola be mpankafy izy ity, kanefa tsy nanan-tsafidy firy tamina toerana hilalaovana ireo tropy mpanao hiragasy. Hirarian’izy ireo ny hisian’ny toa io kianja io, any amin’ireo faritra hafa, mba hamparisika ireo mpisehatra sy ny mpankafy.

Soa fa misy ireo ivokolo vahiny
Manome sehatra ireo Malagasy mpanakanto sy ny sanganasany ireo ivokolo va­hiny miasa eto Madaga­si­kara. Soa fa nisy azy ireo, manosika sy mampivoatra ny zavakanto. Anisan’ireny ny CGM/GZ etsy Analakely, ny IFM Analakely ary ny sampan’ny Alliances Françaises manerana ny Nosy. Eo koa ireo toerana an’ny tsy miankina, toa ny Fondation H, La Teinturerie, Hakanto Cotemporary, sns.
Misy kosa ireo tsy miankina, niezaka amin’ny fotodrafitrasa mba hahazoana ilay fenitra takina. Ny Canal Olympia sy ny Cinépax, ohatra, mamoha indray izay fitiavana ny sarimihetsika anaty efitrano izay.

Tolotra sy tinady
Ho an’ny sehatry ny fampisehoana mozika manokana, tena sahirana tanteraka raha vao misy fenitra takina. Ireo mpanakanto, vahiny, ohatra, mametraka fepetra ambony, na amin’ny kalitaon’ny fitaovana na amin’ny toerana hiseharana. Ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina no hany azo hiafiana raha mikendry mpijery manodidina ny 5000, kanefa tsy mahafeno ny fepetra maha toeram-pampisehoana akory. Raha latsak’izay, dia ny CCI Ivato, mahazaka 1 200 mpijery. Maro ireo mitady ny eo anelanelany, efitrano mahazaka 3 000, kanefa tsy misy intsony izany taorian’ny nahamay ny Auditorium tetsy Ankorondrano.
Raha ankalamanjana indray, ny Coliseum Antson­jombe no hany tena natokana hanaovana fampisehoana ara-javakanto, mahazaka hatramin’ny 25 000 mpijery. Toerana amboarimboarina izay hampety azy ny ankoatra izay, fa tsy ho an’ny fampisehoana loatra. Vao mainka sarotra ny mitady izany, any amin’ny faritra. Miafara amin’ny kianja filalaovam-baolina rehefa tsy tranompokonolona…
Misy fiantraikany be eo amin’ny mpisehatra anatin’ny tontolon’ny zavakanto izay tsy fahampian’ny fotodrafitrasa izay. Amin’ny maha asa azy, iankinan’ny fidiram-bola ihany koa izany ho an’ireo mpisehatra tsirairay, manomboka any amin’ny mpikarakara ka hatrany amin’ireo mpanakanto isan-tsokajiny. Raha misy ny tohana tokony hatao amin’ny zavakanto, dia ireo fotodrafitrasa no tokony hatao laharam-pahamehana. Antoka hiakaran’ny lentan’ny fampisehoana rahateo izany. Tsy ilaina haverina intsony angamba fa ny zavakanto no mampamiratra kokoa ny Malagasy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena.

Nangonin’i Zo ny Aina

Partager sur: