Nitondra fanentanana sy fampianarana ary fanofanana manokana ho an’ireo ben’ny Tanàna momba ny andraikitr’izy ireo ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsarana. Nitarika izany, tany Mahajanga, ny minisitry ny Fitsarana, Rakotomandimby Benjamin Alexis. Nambarany fa tsy tanjona ny hanagadra ny ben’ny Tanàna tsotra izao. “Hametraka rafitra manampy amin’ny fisorohana mialoha ny hadisoana sy ny tsy fanarahan-dalàna amin’ny taratasy ny eo anivon’ny fitondram-panjakana”, hoy izy. Nanteriny fa tsy hijanona amin’ny fanasaziana sy fahamaizana fotsiny intsony ny ezaka ataon’ny fitsarana. Handray fepetra mialoha ihany koa izy ireo amin’ny alalan’ny fanofanana ireo ben’ny Tanàna, araka ny nambarany hatrany. Namaly ireo fitarainana sy ny tatitra momba ny tsy fanarahan-dalàna amin’ny fitantanana ny volam-panjakana eny ifotony ny tenany tamin’izany. “Zava-dehibe ny fahaizana mitantana ny volam-panjakana araka ny lalàna sy amin’ny hitsiny, ka tokony homena fahaiza-mitantana ny raharaha sy ny volam-panjakana ireo mpitantana eny ifotony”, hoy izy. Nanteriny fa antony nanombohana avy hatrany ny fanentanana sy ny fampianarana manokana ho an’ireo ben’ny Tanàna tany Mahajanga izany. Niara-nifarimbona nanantanteraka izany ny rafi-pitsarana rehetra. Anisan’ izany ny fitsarana ara-bola, ny fitsarana hifanaovana amin’olon-tsotra, ary ny Tendrom-pitsarana miady amin’ny kolikoly (Pac).
Synèse R.