Rehefa ao anatin’ny fotoana tsy fiavian’ny orana, miatrika olana goavana ny mponina eto Antananarivo amin’ny fahazoana rano, toy ny niseho tamin’ny taon-dasa.
Misy ny vahaolana fohy ezaka nataon’ny tetikasa ho fanatsarana ny famatsiana rano fisotro madio sy ny minisiteran’ny Rano, fanadiovana ary fidiovana, tamin’ny fametrahana bonbonne lehibe misy rano amin’ny toerana tsy nahazo rano mihitsy hiatrehana ny tsy fahampian-drano amin’ny fotoana tsy fisian’ny orana. “Ho an’ity taona ity, misy ny fanatsarana ireo fitaovana ao Mandroseza, toy ny fanoloana ny groupe sy ny moto pompe izay efa eo an-dalana ny fanaovana azy tanteraka amin’izao fotoana izao”, hoy ny tomponandraikitra teknika ao amin’ny tetikasa PAAEP, Rakotomavo Benjamina, omaly.
Momba ny fametrahana bonbonne fasiana rano, misy saritany ao amin’ny orinasa Jirama mamaritra ireo faritra mena sahirana amin’ny fahazoana rano ka ireny no laharam-pahamehana amin’ny fametrahana. Efa misy ny ezaka fampitomboana ny isan’ny bonbonne satria tsy ampy tao anatin’ny hamehana. Mandritra ny Herinandro nasionaly ho an’ny rano, mandray ny fitarainan’ny olona manana olana amin’ny rano ka tsy mbola tafiditra amin’ny tokony hisitraka bonbonne ho an’ny daholobe ny tomponandraikitra. An-jatony ny bonbonne napetraka hamatsy rano ny vahoaka ary mandalo isan’andro ny kamiao mamatsy azy ireny. Amin’ny ankapobeny, 50 l isan’olona, isan’andro, ny filana rano araka ny tombana natao.
Ankoatra ny fandavahana hitadiavana rano any ambanin’ny tany, mandeha koa ny fanadihadiana momba ny fanorenana toerana hitatazana rano any amin’ny faritra atsinanan’Antananarivo hanangonana rotsakorana. Rehefa avy ny orana betsaka ny rotsakorana very fotsiny ka hametraka fotodrafitrasa lehibe hitehirizana rano ahafahana miantoka ny filana eto Antananarivo amin’ny vanim-potoana maintany.
Vonjy