Tontosa teny amin’ny Foibe famantarana ny toetry ny andro, Ampandrianomby, ny fanokafana ny tetikasa Systematic Observations Financing Facility (SOFF). Hitondra fanohanana ho an’ity foibe ity ny tetikasa izay vatsian’ny SOFF ary tanterahin’ny Firenena mikambana ho an’ny Fampandrosoana (Pnud) hanatsarana ireo kalitaon’ny antotam-baovao vokarin’ny Foibe famantarana ny toetry ny andro. Tsy maintsy manamafy ny rafitra fanaraha-maso ny toetr’andro i Madagasikara amin’ny maha firenena marefo azy ka iharan’ny rivodoza sy ny haintany ary ny tondradrano matetika.
Velaran-tany 2000m2 no azon’ny Association Ikoriantsoa avy amin’ny faritra Vakinankaratra hoentin’izy ireo hanasoavana ireo ankizy sahirana sy tra-pahasembanana. Tsy ireo ankizy ihany no misitraka ny sahanasa atolotry ny fikambanana fa eo koa ireo ray aman-dreny. Tohanana amin’ny asa madinidinika toy ny varotra sy fiompiana izy ireo, arahina tantsoroka sy taridalana ahafahany manatsara ny velontenany. Ankehitriny, ankizy 120 no sahanin’ny fikambanana.
Manana andraikitra amin’ny dingana arahina amin’ny fikarakarana ara-panjakana ny hahatongavan’
ny jeune au pair any amin’ilay firenena kasainy handehanany, ny minisiteran’ny Asa sy ny asam-panjakana ary ny fampananana asa. Tsy maintsy mandalo eny ny fikarakarana ny taratasy ho an’ireo tanora manao au pair.