Nanolana nandritra ny herintaona : Raikely naiditra am-ponja eny Tsiafahy

Voasambotra tamin’ny alahady ilay raikely, nanolana ny zana-badiny, teny Ambohimamory Itaosy. Naiditra am-ponja vonjimaika eny Tsiafahy izy, taorian’ny fitoriana napetrak’olona tsara sitrapo iray.

Nanomboka ny taona 2024 ity ankizivavy ity no niharan’ny fanararaotana ara-nofo nataon’ny raikeliny. Noheverin’ny maman’ ity zaza fa mifankahazo am-po izy mianaka ka tsy nanampo na inona na inona izy. Izy mianaka ireto foana no ao an-trano matetika fa manao varo-mandeha ny maman’ny zaza. Nohararaotin’ity lehilahy ity ny fahatokisam-badiny sy ny za­va-misy ka izao niafara tamin’ ny fananaraotana ara-nofo an’ity tovovavy ity izao izany. Nanomboka tamin’ny safosafo, filalaovana ny faritra saro-pady izany. Tonga hatramin’ny finonoana ny tratran’ilay tovovavy ary niafara tamin’ny fanolanana. Lasa fanaon’izy ireo matetika izany ary omen’ilay raikeliny vola izy mba ho solon’ny filan-dratsy ataony aminy. Norahonany ho vonoina ihany koa raha miteny sy mitantara ny zavatra manjo azy amin’olona, indrindra amin’ny reniny. Tsy sahy nilaza sy nitantara tamin’olona mihitsy, noho izany, ilay zaza rehefa nanontanian’ny olona.
Nisy fotoana henon’ny ma­nodidina sy ny mpiray monina ny talahony mahakasika ny fandavany an’ity raikeliny ity. Indray andro, niangavy tamin’ ito farany izy mba hanajanona ny fomba fanaony hatramin’
izay. Henon’ny manodidina sy ny mpiara-monina izany ka nahatonga azy ireo hanara-maso ny zava-misy.

Tsy nety nino ny renin’ilay zaza
Efa nahatsikaritra fihetsika hafahafa tamin’izy mianaka ireo ny mpiara-monina. Nilaza ny zava-misy sy ny mampiahiahy tamin’ny renin’ilay ankizivavy ny mpiara-monina. Tsy nety nino anefa ity farany fa nolazainy fa mifankahazo am-po loatra izy mianaka ireto. “Tia misangisangy sady be hanihany be amin’ny zanako io dadakeliny io ka matoky azy aho”, hoy ity renim-pianakaviana ity. Tsy nihonona fa tonga nitoroka mangingina teo anivon’ny zandarimaria ny olona tsara sitrapo iray, ny sabotsy lasa teo. Niroso tamin’ny fikarohana sy fanadihadiana avy hatrany ny manam-pahefana, taorian’izay. Nidina teny ifotony ny zandary avy amin’ny Brigade Itaosy ary tratra tao an-tokantranony ity raikeliny ity. Voasambotra ny alahady lasa teo ilay lehilahy ary notazonina natao famotorana. Natolotra ny fampanoavana teny anivon’ny fitsarana kosa izy ny alarobia lasa teo ary naiditra am-ponja vonjimaika eny Tsiafahy. Niaiky ny heloka nataony moa ity lehilahy ity ary noho ny filan-dratsy sy fitsiriritana ity ankizivavikely ity no antony nanaovany izao fihetsika mamoafady izao, izay marihina fa henjehin’ny lalàna.

Mino

Partager sur: