Tena efa tsy mifidy satam-piarahamonina na sokajy, maha lahy na maha vavy, ny fanaovana herisetra, ankehitriny. Ny tena zava-doza, ankoatra ny ratram-po ateraky ny teny, mivadika ho fikasihan-tanana mahery vaika, mihatra aman’aina ny zava-miseho. Zary fomba amam-panaon’ny olona ity mifamono tsy misy antra ity. Moramora ho an’ny sasany ny mandrangaranga antsy sy zava-maranitra.
Tena mivadika ho biby fanahy Ramalagasy. Tena efa sangy mihoatra ny loha no ataon’ny sasany. Na vady andefimandry aza amin’izao fotoana izao efa sahy mandatsaka aina. Toy izany ny zanaka mamono ray aman-dreny, na ny mifanohitra amin’izay. Tena hoe mivaralila tanteraka, toa tsy lahy tokana intsony ilay aina amin’izy ireny.
Miparitaka amin’ny tambajotran-tserasera ny fikasihan-tanana miharo fandratrana kanefa toa mitazam-potsiny ny manodidina. Efa tsy mifampitsinjo intsony ny mpiray tanàna, eny fa na ny mpifanolobodirindrina aza. Ny tena mampahonena dia mahafaly ny olona ny mijery ny fahavoazan’ny hafa. Ataon’ny mpanatri-maso ho filokilokiana amin’ny hehy sy fandatsalatsana ny faharefoan’ireo lasibatra.
Tena mampihoron-koditra ny zava-miseho etsy sy eroa. Mivadika ho fialambolin’ilay vahoaka ny fahitana olona mifandramatra sy mifandrangitra. Tsy misy intsony ny fifampitsinjovana fa mivadika ho fanararaotana aza ny fahalemen’ny mpiara-monina. Mitombina be ilay fanaovana vain-drahalahy tsy marary, ankehitriny.
Hafahafa ilay fomba fiainana eto Madagasikara amin’izao fotoana izao. Tena hoe simba sy “LO” tanteraka no azo hamehezana azy. Mila fiovana goavana sy manara-penitra anaty fotoana fohy mihitsy. Raha izao no mitohy, mampametra-panontaniana ihany ny hoavin’ny taranaka Malagasy aoriana. Fiarahamonina toy ny ahoana no hamolavola ny hoavin’izy ireo? Olona tahaka ny ahoana ny ho mpitari-dalana azy ireo?
r.r