Tsy afa-miatrika ilay fifaninanana “MIC 2025” ho an’ny sokajy zandriny, hatao any Espagne, ny 15 hatramin’ny 20 avrily ho avy izao, ny sekolim-baolina kitra Net Foot, noho ny olana ara-taratasy. Tsiahivina fa efa nisy ny ezaka nataon’izy ireo mahakasika izany saingy tsy nahitam-bokany.
Nanatanteraka “visite d’audit annuel” teo anivon’ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF) ny delegasionin’ny Fifa, ny 14 hatramin’ny 16 avrily l
asa teo. Hetsika notarihin’ i Meryem Atouk, tomponandraikitra ny fitantanana ara-bola eo anivon’ny Fifa sy Rasoamahenina Sanda, misahana ny tetikasan’ny Fifa aty Afrika.
Nanomboka omaly 17 avrily ary hitohy hatramin’ny alahady 20 avrily ho avy izao, ao amin’ny dobo filomanosana CRJS Toamasina, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja lomano, ho an’ny dobo filomanosana 50 metatra. Hitiliana izay handrafitra ny ekipam-pirenana malagasy hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika ity “Mada 2025” ity.
Hotontosaina any Antsirabe, ny 26 avrily hatramin’ny 4 mey izao, ny fifaninanam-pirenena N1A lahy sy vavy, ho an’ny “Zone Centre”. Ekipa lehilahy 6 sy vehivavy 6 no hifaninana amin’izany ka hiady ny tapakila amin’
ny dingana farany izay hatao eto Antananarivo. Efa anatin’ny fiomanana mafy ireo ekipa 12 ireo amin’izao fotoana izao ary samy vonona hampiseho lalao avo lenta.