Hihaona eny amin’ny Tanànamaitso Ambatofotsy ny Solidarité du pesonnel de la santé de Madagascar (SPSM), rahampitso. Fotoana hanehoana firaisankina eo amin’ny samy mpiasan’ny fahasalamana no hatao.
Manodidina ny 2 000 ireo mpiasan’ny fahasalamana andrasana ho tonga hifampizara hafaliana, ahitana dokotera, paramedy, infirmiera, rasazy…Hisy lalao fifaninanana amin’ireo fitaleavana ho fanehoana firahalahiana. Nofon-kena mitam-pihavanana hamonoana omby telo no iarahana, araka ny fanazavan’ny filohan’ny SPSM nasionaly, Rasolondraibe Hasina Nirina.
Miasa mafy ny mpiasan’ny fahasalamana ary miantoka ny fahasalaman’ny vahoaka malagasy. Fampitambarana ny mpiasan’ny fahasalamana, mba hisian’ny firaisankina no tanjon’ny hetsika. Rehefa miray hina dia mandeha hoazy ny fandrindrana ny asa eny anivon’ny tobim-pahasalamana.
19 000 ny mpiasan’ny fahasalamana manerana ny Nosy. Mpiasan’ny fahasalamana 7 000 kosa no andrasana ho tonga any Toamasina, amin’ny volana aogositra, ao anatin’ny fihaonamben’ny SPSM, andiany fahatelo. Efa nijery ny fotodrafitrasa handraisana ny mpizaika ny tomponandraikitra
Tatiana A