Vitsy no manana ny talentany. Nodimandry i Rolland Raelison, mpamoron-kira, mpihira, mpitendry zavamaneno… Maro be ireo kanto napetrany!
Misaona ny tontolon’ny zavakanto malagasy. Nodimandry teo amin’ ny faha-87 taonany, tatsy
amin’ny Nosy La Réunion, omaly 18 avrily 2025 maraina, i Rolland Raelison. Andrarezin’ ny hira malagasy. Sady mpamoron-kira no mpihira, mahafehy mitendry sy mitsoka zavamaneno maro: valiha maty dimy, ny saksôfôna, ny piano, orga, angorodao, klarinety, …
Ny taona 1962 i Rolland Raelison no tonga tao amin’ny Nosy La Réunion. Taona 1977, nanokatra ny trano fandraisam-peo «Le Royal», La Réunion. Nihaona sy nifandray tamina mpanakanto maro. Taona 1979, azony ny loka «D’une île à l’autre» nokarakarain’ny MBC Mauritius sy ny FR3 Réunion. Ilay hira «Toi qui pars», no nentiny nifaninana tamin’izay.
Tsangambato goavana navelan’i Rolland Raelison ny nananganany sekoly fianarana mozika ao Tampon, ny taona 1986. Maro be ireo teratany renioney mianatra ao. Nanana fototra matanjaka ireo mpianatra navoakan’izany sekoly izany. Nianarana tao ny solfezy, piano, orga elektrônika, «clarinette», «saxophone», «violon», «accordéon», «flûte traversière»…
Hira maro no noforoniny, narindrany, nasiany feony na tonony, notendreny… Anisan’ ireny ny «Vakana sarobidy», «Mamy ny akany», «Tiako ianao», «Fafao ny ranomaso», «Ny akany», «Vous que j’aime», «Handao anao», «Nahoana re»…Mpanakanto maro no niara-niasa sy nifampizara talenta taminy : i Henri Ratsimbazafy, Guy Andriamadaoro, Salomon, Gabhy, Romule, Lizah Raseta, Rado, Bera, i Faniry Raelison izay zafikeliny rahateo. Mirary fiononana ho an’ny fianakavian’i Rolland Raelison sy ny tontolon’ny zavakanto ary ny hira malagasy ny Gazety Taratra.
HaRy Razafindrakoto