Famonoana raim-pianakaviana: Voasambotry ny polisy ny vadiny sy ny zanany lahy

Voasambotry ny polisy omaly ilay ramatoa, 50 taona, sy ny zanany lahy, 30 taona, nanao herisetra, namono raimpianakaviana tany Toamasina I. Taorian’ny fiparitahan’ny horonantsary tamin’ny tambajotran-tserasera, izay nahitana ilay raim-pianakaviana 71 taona niharan’ny herisetra nataon’ny vady aman-janany. Nandray andraikitra avy hatrany ny polisy nanao ny fanadihadiana sy ny fikarohana ireo nahavanon-doza. Fantatra fa mipetraka ao amin’ny fokontany Dépôt Toamasina I ity raim-pianakaviana niharan’ny herisetra ity. Nidina tany an-toerana ny Polisy niaraka tamin’ny Talem-paritry ny Mponina ao Toamasina, ny Brigade féminine de proximité ary ny zandarimariam-pirenena nijery ny zava-nisy. Voasambotra nandritra izany ilay ramatoa sy ny zanany lahy 30 taona.
Nitana antsy sy nanambana izany tamin’ilay raim-pianakaviana ity vadiny, nanditra ny sary hita tao anaty horonantsary. Mbola nitaritarika sy nidaroka ity rangahy ity ihany koa izy io. Nanakenda ny rainy ary saika hanipy azy tany anaty rano kosa ilay zanany lahy. Anisan’ny niaro ity raim-pianakaviana ity ny zanany vavy. Niaiky ny heloka nataony moa ireto olona mianaka voasambotra ireto nandritra ny fanadihadiana nataon’ny mpitandro filaminana. Miatrika famotorana izy ireo ary hatolotra ny fitsarana ny alarobia ho avy izao.

Mino

Partager sur: