Fandraisana ny fivorian’ny COI: Nahazo fitaovana fanadiovana ireo kaominina fito

Misokatra amin’ny fiaraha-miasa ny eny ifotony. Nitondra ny anjara birikiny amin’izao hiatrehana ny fihaonana an-tampon’ny COI izao ny avy amin’ny sehatra tsy miankina, Habibo Group. Niatrika izany ny minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT), Andriantsito­haina Naina, sy ny avy amin’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny. Nisitraka fitaovana marobe ho amin’ny fanadiovana ireo kaominina miisa fito, manodinana an’Antananarivo Renivohitra, miaraka amin’ny eny By-Pass. Anisan’izany ny kaominina Ambohimangakely, Alasora, Ankaraobato, Ambo­hi­janaka, Andoharanofotsy, Ivato ary ny eny Talatamaty. “Natao hanohanana ny ezaka ho amin’ny lafiny fahadiovana sy ny fanadiovana izany, indrindra amin’ireo toerana sy faritra natokana ho an’ny daholobe amin’ireo kaominina ireo”, hoy ireo tomponandraikitra tamin’ny fanolorana ireo fitaovana ireo.
Hiavaka ao anatin’ny firaisankina

Miara-dalana amin’izany koa ny nandokoan’ny Habibo Group ny “Rond-point”, eny Amoronakona, anisan’ny toerana mampiavaka sy mifandray amin’ny By-pass. Efa ao anatin’ny asa tanteraka izy ireo ary ho vita tsy ho ela izany. Niray feo ny rehetra fa hiavaka ao anaty firaisankina izao hetsika iraisam-pirenena, hatao eto Antananarivo, izao.
Tsiahivina fa natao ha­nampiana ireo kaominina amin’ny fanangonana ny fako, ny fanalana ny atsanga, ny ahidratsy ary ny fanadiovana ny zaridaina sy ny fandokoana andrin-jiro ireto fitaovana ireto. Tafiditra ao anatin’ny fiaraha-mientana amin’ny fandrasiana io hetsika goavana io izao fanomezana izao.

Synese R.

Partager sur: