Hentitra ny filoha Rajoelina teny Mandroseza, omaly, manoloana ny fikotrehan’ny sasany fanakorontanana amin’ny handraisana ny fihaonana an-tampon’ny COI.
«Ankehitriny, manoloana ny fanambarana ataon’olom-bitsy etsy sy eroa: mipoitra ny saron-tavan’izy ireo. Satria manitsakitsaka ny soatoavina sy ny fifanajana: aiza eto an-tany no misy hoe handray vahiny dia hampirisika ny olona any amin’ny zavatra tsy tokony hatao na hihoa-pefy ireo milaza fa mpanohitra eto Madagasikara?». Io ny tenin’ny filoha Rajoelina Andry tamin’ny mpanao gazety teny Mandroseza, omaly, manoloana ny hoe fanakorontanana ny fihaonana an-tampon’ny COI. Mahay mandray vahiny ny Malagasy. Ao anatin’ny fifanajana sy ny tena firaisankina izany. Izay toe-tsaina izay no tokony hovolena. Eo koa ny filoha frantsay, i Emmnuel Macron, hanao fitsidihana ara-panjakana izay tsy mitovy amin’ny fitsidihana ofisialy. Efa elabe no tsy nisy fitsidihana ara-panjakana teto. Tsy ekena ny fanakorontanana. Tsy ekena raha olom-bitsy no hanimba ny endrik’i Madagasikara. Any amin’ny fomba hafa no hanoherana, fa tsy hitondrana hevitra hanakorontanana.
Hangatahana amin’i Frantsa
Ao anatin’izay ny hanaovana fifanarahana, hanamafisana ny fifandraisana amin’ny firenena iray. Be dia be ny fitaovana hovidiana ao anatin’izany, ho avy tsy ho ela, alohan’ny faran’ny taona: momba ny fambolena, ny seranan-tsambo, ny fanaovana lalamby… Hangatahina amin’ny Frantsay, ohatra, ny hanamafisana sy hanatsarana ny kalitaon’ny fampianarana ambony. Azo tanterahina ve ny hananganan’ny Frantsay miaraka amin’ny fitondram-panjakana malagasy oniversite goavana eto Madagasikara? Eo amin’ny sehatry ny fitantanana angovo: inona no azon’ny Frantsay hanampiana? Misy ny fery tsy mbola mikatona momba ny fanjanahantany. Misy koa ny zavatra tsara nentin’izy ireo. Anisan’izany, ohatra, ny lalamby. Fanamby: ahoana ny hanavaozana tanteraka izany?
R. Nd.