Nanatrika fivoriana iraisam-pirenena tany Istanbul Turquie, nandritra ny roa andro, tamin’ity herinandro ity, ny solombavambahoaka roa. Anisan’izany ny filohan’ny vaomiera misahana ny fahasalamam-bahoaka sy ny fandrindram-piterahana, ny Dokotera Rajaobelina Lova, sy ny filoha lefitry ny vaomiera momba ny fitantanam-bola, Rakotoarisoa Jhonny.
Niaraka tamin’izy ireo nisolo tena ny firenena malagasy koa ny sekretera mpanatanteraky ny Vovonan’ny firaisamonim-pirenena misehatra amin’ny fanjarian-tsakafo sy ny fahasalamana Hina, Willy Beninandiana, nitondra ny tenin’ny firaisamonim-pirenena malagasy. Mahakasika ny fitadiavam-bola maharitra amin’ny famatsiam-bola ny fividianana vaksiny no niompanan’ny atrikasa tany an-toerana. Firenena afrikanina valo sy asiatika iray no voaasa tamin’ny fihaonana. Niampy ireo firenena tsy mbola mahaleo tena amin’ny fividianana vaksiny fa miankina amin’ny mpamatsy vola, indrindra ny Gavi no voakasika tamin’izany.
Eto Madagasikara, misy ny tetikasa Haitaky momba ny fanaovam-baksiny sy ny famatsiana ireo tolotra fahasalamana fototra, tohanan’ny Global Health Advocacy Incubator (GHAI) tanterahin’ny fiombonan’ny firaisamonim-pirenena Hina, CCOC ary ny NosyW. Izy ireo izay manetsiketsika ny mpisehatra rehetra hahatongavana amin’ny fahaleovantena amin’ny fividianana vaksiny.
Tany Istanbul, nisy ny fiaraha-midinika sy fifampizaran’ny samy firenena momba ny fividianana vaksiny ary narahana fizarana traikefa mahomby izany. Zava-dehibe nisongadina nandritra ny fihaonana ny fametrahana tambajotra iraisan’ny depiote ho an’ny vaksiny amin’ny firenena sivy. Navoitra ireo hevitra hanatsarana ny famatsiana vola ny vaksiny sy ny paikady hiresahana amin’ny tomponandraikitra mpanatanteraka hampiakarana ny sora-bola ho an’ny vaksiny. Eto Madagasikara, 20% ny fandraisana anjaran’ny fanjakana amin’ny fividianana vaksiny fa ny 80% mbola miankina amin’ny mpiray ombon’antoka ka mila manao ezaka ho tombontsoan’ny zaza malagasy.
Taorian’ny atrikasa iraisam-pirenena, hifandresy lahatra amin’ny mpanantanteraka ny solombavambahoaka momba ny fandraisana anjaran’ny fanjakana amin’ny fividianana vaksiny. « Tokony hojerena mialoha ny vahaolana raha mitsahatra ny fanohanana avy any ivelany. Iaraha-mahalala ny politika iraisam-pirenena amin’izao fotoana sy ny fanapahan-kevitry ny Amerikanina momba ny famatsiam-bola ataony, ka izay no maha zava-dehibe ny fihaonana tany Istanbul, hoy ny solombavambahoaka », Rakotoarisoa Jhonny.
Efa nisy lalàna lany fa tsy nampiharina …
Tsy andrasana hitranga ny olana voa hikoropaka ny mpitondra fa ilaina ny miomana hatrany.
Zavatra itovian’ny mpivory ny hoe mila mametraka fahaleovantena momba ny fividianana vaksiny. Teto amintsika, nisy volavolan-dalàna efa lanin’ny Antenimiera roa tonta ny taona 2016 (lalàna lah 2016-058 momba ny fametrahana tahiry natokana ho an’ny fanaovam-baksiny) fa tsy hita taratra ny fampiharana azy. Tokony horesahana raha misy olana momba io lalàna io. Hiroso amin’ny fivoriana voalohany amin’ity taona ity ny solombavambahoaka ny volana mey ho avy izao. Anisan’ny hodinihina ny momba ny tetibolam-panjakana 2026 ka haroso ho anisan’ny lahadinika ny fividianana vaksiny.