Manomboka ny fanarenana ny lalam-pirenena faha-6, eo anelanelan’Ambondromamy hatrany Ambanja. Anisan’ny asa atao ny any amin’ireo toerana tena ratsy lalana, toy ny any Tsarahasina, Anjiamangirana ary Marovantaza. Tafiditra ao anatin’ny tetikasa PCMCI-CERC, vatsian’ny Banky iraisampirenena vola ny fanatanterahana azy. Tanjona ny hanatsarana ny fifamoivoizana sy fitandroana ny filaminan’ny mpampiasa lalana.
Miisa 300 ny tantsaha niofana mahakasika ny fanamboarana zezi-pahitra kaomposta sy ny teknika basket-compost. Nisitraka izany ny mpamboly any amin’ny kaominina Ambia, Andohanilakaka, Irina ary Sahambano, faritra Ihorombe. Nanatanteraka ny fiofanana ny Fid sy ny Fitantanam-paritry ny Fambolena sy fiompiana (Drae) Ihorombe. Tanjona ny hanatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo.
Ampiharina ny delestazy maharitra adiny roa eto Antananarivo sy ny manodidina. Antony, mihena ny rotsakorana tato anatin’ny andro vitsivitsy. Araka ny vaovao nampitain’ny Jirama, mihena torak’izany koa ny haavon’ny rano mamatsy ny toby mamokatra herinaratra avy amin’ny riandrano any Andekaleka, izay miantoka ny ampahatelon’ny herinjiro amin’ny Tambajotra iraisan’Antananarivo (RIA).