Mizara ny traikefany ireo frantsay manam-pahaizana, miady amin’ny famonoana afo. Miompana amin’ny doro ala izany.
Ao anatin’ny fikarohana vahaolana fanampiny manoloana dora ala ny fitondram-panjakana malagasy. Misy ny frantsay manam-pahaizana manokana mamita iraka eto Madagasikara, mizara ny fahaiza-manaony. Tanjona ny hampahomby ny ady atao amin’ny doro ala sy doro tanety. Tafiditra anatin’ny fiofanana ny fifehezana ny fiitaran’ny fahavoazana mihoatra ny takatry ny fahafaha-miatriky ny mpiantsehatra eto Madagasikara. Aharitra herinandro ny fifanakalozana, nanasokajy ny zavatra tokony homanina rehetra.
Nanao tatitra ankapobeny ny vokatry ny iraka natao teto Madagasikara tamin’ny minisitry ny Tontolo iainana sy ny fandrosoana lovainjafy, Max Andonirina Fontaine, ny mpampiofana. Nitarika ny delegasiona nifampizara vaovao teny Antsahavola ny tale jeneralin’ny BNGRC, ny Jly Elack Olivier Andriakaja.
Dingana tokony harahina…
Nanatrika ny fihaonana ny tale misahana ny faritra arovana ao amin’ny minisitera. Teo koa ny mpanolotsaina teknika avy amin’ny masoivoho frantsay eto Madagasikara, lieutenant colonel Christian Baroux. Mbola misy dingana maro tokony harahina vao tanteraka ny paikady fa mandroso ny asa rehetra izay tokony hatao.
Nanamora ny fahatongavan’ireo manam-pahaizana manokana ny sampandraharahan’ny masoivoho frantsay misahana ny fiaraha-miasa mifantoka amin’ny fandriampahalemana sy ny fiarovana. Izy ity no niantoka ny fampiasana fiaramanidina mpandatsaka rano, hoenti-mamono ny afo.
Vonjy