Antoky ny fampandrosoana ifotony ny fisitrahana rano fisotro madio. Nahazo ny anjarany, tamin’alalan’ny fikambanana Amitié Madagascar Ile de France (Amif), ny fokontany Antanetibe, Alakamisy ary ny Lisea ao amin’ny distrikan’Anjozorobe. Notokanana tany an-toerana, ny alakamisy teo, ireo fotodrafitrasa goavana, ahitana fitahirizan-drano 15m 3, ny tambajotram-pamatsian-drano ho an’ireo paompy sy ho an’ireo toerana fanasan-damba efa misy. « Tanjona ny hisitrahan’ny mponina rano fisotro madio maharitra mba hisorohana ny zava-nisy teo aloha », hoy ny filohan’ny fikambanana, Denis Briche. Porofo izao fa vonona hitondra fampandrosoana lovainjafy ny fikambanana ho tombontsoan’ny besinimaro. Ankoatra ireo fotodrafitrasa samihafa, kendren’ny fikambanana ny hitondra ainga vao sy fampandrosoana ny maha olona amin’ny fampiasan’ny rehetra ny rano fisotro madio, ny fitandroana ny fahadiovana. « Napetraka ihany koa ny komity sy teknisianina mpandrindra ny rano izay handraisan’andraikitry ny tsirairay amin’ny fikojakojana ny fotodrafitrasa sy ho an’ny fahasalaman’ny besinimaro », hoy kosa ny filoha lefitry ny fikambanana Amif, Didier Verdureau.
Tarigetra ny fikambanana hatramin’ny 18 taona niasany teto Madagasikara ny hitondra ny traikefany ho fampandrosoana ny firenena. Miara-dalana aminy ao anatin’ny tetikasa ataony ny « Ny havana », tohanan’ny sendikan’ny Orge en France. Vaindohan-draharaha ny fampandrosoana lovainjafy hanatsarana ny fiainan’ny mponina, ny tontolo iainana, ny fahasalamam-bahoaka. Hetsika tafiditra ao anatin’ny Tanjon’ny fampandrosoana lovainjafy (ODD) apetraky ny Firenena mikambana.
Henintsoa