Nodimandry, omaly, ny masoivohon’i Madagasikara any Frantsa, Rajohnson Hugues Rija. Tokony ho miara-dia amin’ny filoha frantsay, Emmanuel Macron, izy amin’izao fitsidihana hataony eto amintsika izao ny raha ny tokony ho arofenitra. Efa minisitry ny Rano sy ala ny taona 1997-2002. Tale kabinetran’ny Tetezamita koa ny 2011-2014.
Nitondra fanazavana momba ny andro tsy iasana, ny alarobia 23 avrily, ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina, sady mpitondra tenin’ny governemanta, Mara Volamiranty Donna “Tsy ho an’ny fitsidihana ara-panjakana hataon’ny filoha frantsay, Emmanuel Macron, ihany fa indrindra fanomanana koa ny fihaonamben’ny COI no nanapahana izany”, hoy izy.
Anisan’ireo mpanao politika naneho ny fiombonam-pony amin’ny mpino katolika noho ny fahalasanan’ny papa François ny filoha nasionalin’ny MMM, Andrianainarivelo Hajo. Tsiahivina fa mpitondra sy mpanao politika maro no efa nihaona tamin’ny papa Fransoa, na teto Madagasikara na tany Vatikana izany.
Nanofana sy nametraka samboady ireo ben’ny Tanàna any amin’ny faritra Sofia ny loholona Tiandaza Dinaraly Odilona, ny herinandro teo. Niaraha-niasa tamin’ny Antenimierandoholona sy ny fitsarana ara-bola, ny eo anivon’ny INDDL sy ny Pac, ny fanofanana. Teo koa ny avy amin’ny Bianco sy ny “Inspection general d’état”.