Saika nahitana fety avokoa ireo toerana fanaovana fampisehoana eto an-dRenivohitra sy ny manodidina. Samy nahasarika mpijery… Fa somary nanatombo ny mozika mafana.
Stade annexe Mahamasina, nisokatra tamin’ny 9 ora maraina ny vavahady. « Gasy mifety » nahitana an-dry Wawa (au grand complet), Rao Lossa, Agrad, Lico Kininike, Tence Mena, Mr Sayd, DJ Natoo. Mbola tao amin’ny Kianjan’i Barea ihany. « Dontsiky » Show 2025, nahitana an’i Ceasar, Stephanie, Reko Band, Arnaah, Mad Max, Ckycky, Oladad, Riri Etsetsa Etsetra. Teny amin’ny Coliseum Antsonjombe indray no nanatanterahina ny « Face à Face n’ny samy ngeza », nahitana ireo mpanakanto mahasarika tanora maro ihany koa. Anisan’ireny ry Wada sy Yoongs, LJo, Raouto, Dadi Love, Lico Kininike, Sanih, Mopcaan, Koike, Parish. Tamin’ny ankapobeny, nanatombo ny isan’ny tanora tazana tamin’ireo toerana telo ireo. Nihanoka tao anatin’ny mozika mafana sy mihetsiketsika izy ireo. Ny fampisehoana an-tsehatra amin’ny fetin’ny Paka na Paska rahateo no anisan’ny seho lehibe indrindra aorian’ny fotoam-pahavaratra izay tsy nahafahana niaka-tsehatra.
Nafana Antsahamanitra
Na tsy hipoka aza Antsahamanitra. Na nirotsaka majinika aza ny orana… Nafana ny fampisehoana « Revy Mahaleo sy ireo namany ». Satria, ireo hira anisan’ny manana ny lazany sy tsy afaka eny am-bavan’ny olona no nandrafitra ny fandaharam-potoana. Maro be izy ireo. Niarahan’ny teny an-tsehatra sy ny mpijery avokoa ny nihira azy ireny.
Ry Mahaleo sy ny taranany. Tarika Tsiakoraka, ry Lôlô sy ny tariny. Samy naneho sy nanasongadina fa tsy levon’ny vanim-potoana ny sanganasany. Tsy lavitra azy ireo ny mpitia sy ny mpanjohy ny tarika.
Tsikaritra rahateo fa notazonin’ireto tarika telo ireto ny maha izy azy sy ny sanganasany hatrany am-boalohany. Tafaverina tsy nisy tomika ny tononkira, ny fandrindrana, sns. Niharihary ihany koa ilay fifamatorana akaiky eo amin’ny mpijery sy ny teny an-tsehatra.
HaRy Razafindrakoto