Fihaonana an-tampon’ny COI : Hahetsika ny “Forces spéciales” sy ny Emmo

Tsy an-kiato ny fivoriana ary mbola nitohy ny herinandro teo, tetsy amin’ny Toby Ratsimandrava. Nivoitra tamin’izany fa handray fepetra manokana ny mpitandro filaminana mandritra ireo hetsika lehibe ireo ary hiatrana amin’ny toerana maromaro ny Emmo/Nat. “Harovana ny mpitarika ambony sy ny toerana hivantananan’izy ireo ary ny toerana hanaovana ny fivoriana sy ny fihaonana ofisialy”, hoy izy ireo. Anisan’izany ny Lapam-panjakana eny Iavo­loha, ny CCI Ivato ary ny Rova eny Andohalo.
Tsy vitan’izay fa hohetsehina ireo hery fiarovana sy filaminana handrindra ny fivezivezin’ny olona sy ny fiara. “Ho hentitra ny fanaraha-maso sy ny fepetra fisorohana hanakanana ny mety fanohintohinana ny fandaharam-potoana”, hoy ihany izy ireo. Hampitomboina ny isan’ny mpiambina amin’ny toerana saro-pady sy manan-danja. Ohatra ny toerana famatsiana solika sy ny herinaratra. Hia­trana amin’ny toerana manandrify azy ireny koa ireo vondron-kery manokana « Forces spéciales» sy ny «Forces d’intervention».
Etsy andaniny, tsy mbola nisy ny fangatahana alalana voarain’ny prefektioran’ An­tana­narivo manoloana ny hetsika kasain’ireo vondron’olona sasany hatao amin’ny fahatongavan’ireo vahiny eto. “Mihatra hatrany ny fepetra fangatahana alalana amin’ny fahafahana manao hetsika sy famoriam-bahoaka”, hoy ny Prefet an’Antananarivo, ny Jly Ravelonarivo Angelo. Nan­teriny fa hohamafisina ny fiam­benana eny amin’ny toeran handraisana ireo filoham-pirenena ho avy eto, indrindra ny lalan’izy ireo manoloana ny fikasan’ireo mpanao politika hilanja sorabaventy.

Synèse R.

Partager sur: