FOJAEB andiany faharoa: Tanora afrikanina miara-manorina toekarena manga

Fototra iorenan’ny fampandrosoana ny toekarena manga ny tanora, amin’ny alalan’ny fandraharahana sy fandraisana andraikitra mifanaraka amin’ny filàn’ny firenena.

Fandraharahana. Fototry ny fampandrosoana anio sy ho an’ny hoavy ny tanora. Nivoitra izany nandritra ny hetsika « Forum des jeunes africains sur l’économie bleue » (Fojaeb) andiany faharoa, tao Toliara, ny 17-19 avrily lasa teo. Nizara ny traikefany sy nanentana ny tanora handraharaha Rabemanan­tsoa Sarah, anisan’ireo nahazo mari-pankasitrahana tamin’ny fiofanana nataony avy amin’ny «Gerez au mieux votre entreprise» (Germe) avy amin’ny OIT. «Mila tanterahana ireo aingam-panahy mitsiry ao anaty mba hoentina mandraharaha. Tokony hahafantatra ireo soatoavina sy sahy mandray andraikitra ny tanora ary mametraka fanamby fa hitondra fanavaozana ny zavatra ataony», hoy ny fanazavany.
Ankoatra izay, nilaza ny minisitry ny Jono sy ny toekarena manga, Mahatante Paubert, fa « ivon’ny fampiroboroboana ny fampandrosoana an-dranomasina lovainjafy ny tanora afrikanina ». Ma­nana harena voajanahary sy akora fototra tadiavin’izao tontolo izao i Afrika ary manan-karena rano. Notohizany fa mirefy 42 000 ny morontsirak’i Afrika ary Afrikanina avokoa ny mandrafritra ny 70% ny tanora maneran-tany.

Toekarena manga
Mirefy 5 603 km ny morontsirak’i Mada­gasikara, manana nosy kely miisa 256 isika ary midadasika amina 1.141.000km2 ny “Zone économique exclusive » (ZEE) ananantsika. Fanamby lehibe ny hahatongavan ho mitarika ny toekarena manga aty Afrika. « Manana paikadim-pirenena mifanaraka amin’ny vinan’ny kaontinanta isika sy drafitrasa mahomby ary tanora vonona hanorina hoavy mamiratra”, hoy ny minisitra. Nosafidiana manokana i Toliara anaovana ny hetsika noho izy akaiky ny lakandranon’i Mozambika, ahitana ny foko Vezo, manam-pahaizana manokana momba ny jono. Tanjon’ny Fojaeb andiany faharoa ny hivoizana ny fampandrosoana anatin’ny fiarovana ny tontolo iainana. Vovonana hampiray ny teratany afrikanina sy hanangana toekarena miaraka sy lovainjafy mibanjina ny hoavy ny Fojaeb.

Henintsoa

Partager sur: