Harena an-kibon’ ny tany : Tsy araka ny tombantombana ny vidin’ny nikela

Tsy mitsaha-mitombo ny filana na ny tinady ny akora nikela eo amin’ny tsena. Eo koa ny fihenjanan’ny lafiny jeopolitika eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena.

Akora fototra ilaina amin’ny fanamboarana bateria ho an’ny fiara elektrika ny nikela. Miakatra tsikelikely ny vidiny amin’ny ankapobeny. Mahatonga izany ny fitomboan’ny famokarana fiara elektrika sy ny fampiasam-bola amin’ny angovo azo havaozina. Araka ny antontanisa eo amin’ny tsena iraisam-pirenena momba ny vidin’ny harena an-kibon’ny tany (LME), nanomboka niaka-bidy ny nikela tamin’ny taona 2024, ary vinavinaina hitohy amin’izao 2025 izao. Raha ny antontanisa farany, nihena 16% tato anatin’ny iray volana ny vidiny (13 marsa-13 avrily 2025). Nidina ho 12 689 euros ny 1t raha toa ka 15 100 euros teo aloha. Vidiny ambany indrindra io voalaza io, tato anatin’ny 3 volana farany, raha toa ka efa 16 255 euros ny vidiny farany ambony tao anatin’ny enim-bolana ary 19 902 euros tao anatin’ ny herintaona.
Manodidina ny 12 690 hatramin’ny 13 500 euros ny vinavinan’ny teknisianina ara-bola ho vidin’ny nikela ato anatin’ny fotoana fohy. Miantraika amin’ny vidiny ny toe-draharaha eo amin’ny tontolo toekarena sy politika maneran-tany. Satria tafiditra ao anatin’izany ny masonkarena amin’ny famokarana sy ny fepetra ara-toekarena maneran-tany.

Mitotongana 44% ny varotra fiara elektrika
Tsy araka ny vinavinan’ny manampahaizana ara-toekarena anefa, satria tsy mitsahatra mitotongana ny fivarotana fiara elektrika eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Raha ny antontanisa navoakan’ny Fikambanan’ny mpanamboatra fiara any Eoropa (Acea), ny taona 2024, mahatratra 14,4% ny anjaran’ny fivarotana fiara elektrika, raha 21% teo aloha, tato anatin’ny herintaona. Niisa 92 627 ny fiara lafo, ny taona 2024, tany Eoropa, nahitana fihenana 43,9% raha oharina ny taona 2023. Nihena tarehimarika roa ny any Alemaina sy Italia ary Frantsa, ary nihena 6,5% ny any Espaina.
Midika ireo fa sarotra vinavinaina na dia amin’ny fomba ara-tsiansa aza ny fivoaran’ny tontolo ara-toekarena, satria miankina betsaka aminy zava-misy ara-politika ihany koa izany. Mifandray tanteraka anefa ny politika mba tsy hilazana hoe miankina amin’ny tombontsoa ara-toekarena toy izao ataon’ny filoha amerikana Donald Trump izao, nanomboka tamin’ny niverenany nandray ny fahefana any Etazonia.

Ady ara-toekarena maneran-tany
Firenena telo voalohany mpamokatra nikela i Indonezia, Philippines ary Rosia. Iaraha-mahita anefa ny ady eo amin’i Rosia sy Ukraine, efa ho 3 taona izao. Orinasa iraisam-pirenena mamokatra nikela eto Madagasikara ny Ambatovy, izay banky japoney sy koreana tatsimo no manana petra-bola ao aminy. Tsara kalitao ny vokatra an’Ambatovy satria mahatratra 99,9% ny tahan’ny nikela. Fantatra fa efa misy ny firenena mikasa hanova na hampihena ny fatran’ny nikela ao anaty bateria ilain’ny fiara, na koa ny habeny, mba hampihena ny masonkareny, toa an’i Sina.
Anisan’ny antony lehibe mampanahy eo amin’ny lafiny politika sy toekarena maneran-tany koa ny ady ara-toekarena ataon’ny filoha amerikana Donald Trump, nanomboka ny niverenany nandray ny fahefana. Anisan’izany ny fitsiriritany an’i Groenland, nosy lehibe indrindra maneran-tany, tantanin’i Danemark, nefa tadiavin’i Trump ho alaina satria manana harena ambanin’ny tany tsy hita noanoa. Eo koa ny ady any Ukraine, firenena anisan’ny manana harena ambanin’ny tany maro ihany koa, ny any RDC atsy Afrika. Manampy ireo ny ady toekarena mahakasika ny haban-tseranana ifanavaon’i Etazonia sy i Sina.
Raha aravona, resaka harena ambanin’ny tany, ilay sokajiana hoe karazan-tany tsy fahita firy (terres rares) no anisan’ny tena ifandrombahana sy iadivan’ireo firenena matanjaka. Akora ilaina amin’ny fanamboarana fitaovana teknolojia niomerika.

Nanatontosa : Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: