Nanao fitsidihana tany atsimon’ny Nosy ny lefitry ny masoivoho amerikanina, Stephanie Arnold, ny herinandro lasa teo. Nihaona tamin’ireo mpiara-miombon’antoka sy vondrom-piarahamonina ifotony tohanan’ny governemanta amerikanina, ka mitondra fiovana eo amin’ny sehatry ny fahasalamana, ny fanabeazana, ary ireo ezaka fiahiana ny maha olona, izy. Nifanakalo hevitra tamin’ireo mpianatra sy tanora 50 tao amin’ny American Corner ao Taolagnaro koa . Iray amin’ireo Corners telo misy eto Madagasikara ny ao Taolagnaro.
Ho fanatanterahana ny ezaka ho amin’ny fanofanana sy famoronana asa ho an’ny tanora, Nanomboka ny volana novambra 2024 ny fisoratana anarana ho an’ireo izay liana hisitraka ny fanofanana maimaimpoana amn’ny hetsika “Fijery Hafa” ho an’ny faritra Atsinanana. Miisa 11 729 ireo tonga nisoratra anarana tao amin’ny Gymnase Soavita Toamasina. Hatramin’ny fiandohan’ny fanofanana, efa nahatratra 1 163 tamin’izy ireo no efa nisitraka.
Nitohy tao amin’ny Cisco Antsiranana I sy Antsiranana II ny hetsika fanentanana sy fifanakalozana mahakasika ny fisorohana ny loza an-tsekoly, ny herinandro lasa teo. Nifampizara momba ny fanaraha-maso ny asan’ny “Saf Pascoma” eny amin’ny Cisco ihany koa ireo tekinisianina sy ireo talen-tsekoly any an-toerana niaraka tamin’ny famatsiana fitaovana. Ny Ofisy nasionaly misahana ny fisorohana ny loza an-tsekoly no miandraikitra ny hetsika tanterahina manerana ny Nosy.
Ny rindrin-drahona ao amin’ny ilany afovoany atsinanan’ny Nosy no handrafitra ny toetry ny andro ho an’ny telo andro ho avy. Mety hisitraka oram-baratra ny afovoan-tany manontolo anio sy rahampitso, hoy ny foibe famantarana ny toetry ny andro. Ny toetry ny andro anio, hisy orana tandrifin-drahona mety harahin-kotroka any Vakinankaratra, Analamanga, Itasy, Bongolava, Alaotra Mangoro, Atsinanana, Vatovavy, Fitovinany ary Betsiboka..