Isotry : Nanao Paka ny Seba sy ny Ex Mad Cap

Nandritra ny fetin’ny Paka, nahatsiaro manokana ireo fianakaviana tena sahirana mitoby etsy amin’ny Ex Mad Cap sy Seba Isotry, ny minisitry ny Mponina sy ny firaisankina, Razafinjato Aurélie. Nizara sakafo mafana sy ara-pahasalamana hiarahan’ireo ankohonana mifaly nandritra ny andron’ny Paka izy ary nankahery azy ireo hioitra amin’ny fiainana.
Nanazava ny minisitra fa mitohy ny fanatsarana ny toerana itobian’ny traboina ary havaozina miaraka amin’ny mpiara-miombon’antoka ny toerana amin’izao fotoana.
Tafiditra amin’ny tetikasa fitsimbinana ny maha olona izay voizin’ny fanjakana ny hetsika fitsinbinana manokana ireo madinika, indrindra amin’izao andro fety izao. Fandalovan’ny traboina ihany ny amin’ireo toerana roa ahian’ny minisitera sy ny Kaominina Antananarivo Renivohita ireo. Manampy azy ireo hanana fiainana milamina sy mahaleo tena ny fanjakana.
Misy amin’ny fianakaviana sahirana no hafindra monina any Fieferamanga sy Ambohimiarina hisitraka ny tetikasa Ankohonana Miarina. Efa nisy ny lasa niverina any an-tanindrazany. Ny sasany ampiana amin’ny asa velon-tena hahaleo tena ara-pivelomana.

Tatiana A

Partager sur: