Notontosaina ny alahady 20 avrily 2025, tao amin’ny “Poste de commandement Interallié Tulipe” (PCIAT), ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny fanombohan’ny sarinady iraisam-pirenena hatao any Mahajanga.
Mandray anjara amin’izany ireo tafika eo anivon’ny Firenena mivondrona ao amin’ny Kaomisionina ranomasimbe Indianina. Nitarika ny lanonana ny lehiben’ny Etamazaoron’ny Tafika an-tanety ny Jly Rakotoson Jocelyn. Tonga nanotrona izany hetsika izany koa ny lehiben’ny hetsika ara-miaramila eo anivon’ny Tafika frantsay aty amin’ny Faritra atsimon’ny ranomasimbe Indianina sady nisolo tena ny kaomandin’ny “Forces Armées de la Zone Sud de l’océan Indien” (FAZSOI) ny Lieutenant-Colonel Doulesse sy ireo tomponandraiki-panjakana ao an-toerana notarihin’ny Préfet an’i Mahajanga, Tokifaharana Herimiaro Zo Randrianarivony, ary ireo manamboninahitra sy mpandray anjara rehetra eo anivon’izany firenena dimy miantsehatra ao anatin’izao hetsika ara-miaramila izao.
Fanamafisana ny fahaiza-manao…
Nandritra ny lahatenin’ny jeneraly Rakotoson Jocelyn no nanamafisany ny maha zava-dehibe ny fanazaran-tena iarahana amin’ny Tafika vahiny satria izany no hahafahana manamafy ny fahaiza-manao sy fifanakalozana traikefa ary ny fanamafisana ny firaisankina ao anatin’ny fiaraha-miasa amin’ny samy Tafika. Nambarany ihany koa fa efa nisy ny fanomanana mialoha, na ny teto an-toerana na ny tany amin’ny Nosy La Réunion, teo amin’ny lafiny olona sy ny fitaovana. Marihina fa efa nahazo ny fankatoavana teo anivon’ny filankevitry ny minisitra ny fanatanterahana izao hetsika ara-miaramila izao. Nisy, araka izany, ny hafatra ho an’ny vahoaka malagasy, indrindra ny vahoaka any amin’ny faritra Boeny sy ny manodidina, mba tsy handairan’ny tsaho isan-karazany. Teo am-pamaranana no nilazany fa amin’ny maha Nosy an’i Madagasikara dia rariny sy hitsiny isika raha miaraka mifehy ny fari-dranomasina mba ho fandrindrana filaminana maharitra satria izany no antoka iray hisian’ny fampandrosoana ho an’ny firenena iray.
Jean Claude