Nitondra zaza nandositra : Lehilahy voasambotry ny fokonolona

Tra-tehaky ny fokonolona ny lehilahy nikasa hangala-jaza tao Ampahamoalambo, kaominina Ambatondrazaka, ny sabotsy 19 avrily teo. Tsy nisy nahatsikaritra ny nahazoan’io mpangala-jaza io ilay zaza vao 7 taona tao amin’ny fokontany Ambodimanga. Nentiny tamin’ny bisikileta io zaza io. Nihiakiaka ilay zaza rehefa nivoaka ho 5 km ivelan’ny tanàna izy sy io mpangala-jaza io. “Avelao aho hody”, hoy ilay zaza sady nitomany. Nifanindry an-dalana tamin’izany, lehilahy nahalala ity zaza nisy naka ity no nahita tampoka ny zava-nisy. Nosakanan’io raim-pianakaviana io ny bisikileta. Nampidininy ny zaza ary notazominy koa ilay mpangalatra. Nantsoina ny fianakavian’ny zaza. Voamarina fa efa nifampitadiavana tao an-tanàna io zaza tsy hita io. Nihazakazaka namonjy ny toerana voalaza moa ny fokonolona sy sefo fokontany. Tratra ilay olon-dratsy nikasa hangalatra zaza. Tonga ara-potoana ny polisy nisahana ny fanadihadiana. Naverina amin’ny havany kosa ny zaza. Andrasana ny tohin’ny fanadihadiana.

Tsiferana R.

Partager sur: