« Power of metal »: Nanjakan’ny hafanana sy angovo

Alkiniah sy Mania, tarika roa andrarezina eo amin’ny tontolon’ny mozika mavesatra. Tafaraka tetsy amin’ny Cercle Franco-Malagasy Anosy, ny faran’ny herinandro teo. Fihaonana tamin’ny mpankafy zavakanto izay nahatarafana fa natambatry ny seho « Power of metal » ny hafanana sy angovo. Tazana sy heno teny an-toerana ilay feo sy fihetsika itoeran’ireo hafanana sy angovo: nikiakiaka, nihorakoraka, nanao ny « headbang » na ilay fihetsiky ny loha manaraka ny feo avy eny an-tsehatra. Tazana avy hatrany fa na ny tarika Alkiniah na ny tarika Mania, samy manana ny fomba fanehoany ny mozika mavesatra. Niraisana kosa ilay hafanana sy angovo.
Nanome io hafanana io ihany koa ny fandaminana vaovao. Ny nampiasana ny tety ivelan’ny trano nahitana fanentanana sy tranoheva isan-karazany. « Izay aloha no vita omaly … Fa mbola betsaka ny ho avy! Aza miala lavitra, mbola ho mafana kokoa ny manaraka!» Araka io nambaran’ny tarika Alkiniah io, hitombo hatrany ny angovo hiarahana atsy ho atsy.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: